Ny fodian’ingahibe masoandro, tsy nanakana ny hafanana nandritra ny seho iray manontolo. Voatazona hatramin’ny farany ilay hevitra voarakitry ny lohatenin’ny fampisehoana, notanterahina teny amin’ny parking CCI Ivato, omaly, tolakandro. « Revy Revy mody masoandro », nahitana an’i Samoëla, Mahaleo, Lôlô sy ny tariny (bebey, Benny, Nini). Na samy manana ny mpankafy azy […]
Auteur/autrice : Adnews
Seho santatra: Hanampy ny mananotena ny « Jaim »
Notontosaina tetsy amin’ny Kianja mitafon’Imahamasina ilay fampisehoana « Antsam-piderana lehibe miavaka », nokarakarain’ny fikambanana Jerin’ny avara-pahalalana ilon’i Madagasikara (Jaim). Seho nandraisan’ireo tarika andrarezin’ ny hira evanjelika toa ny KTKT Toliara, TGC, Henika, Chorale Lova Militaire Toliara. Fantatra fa hetsika voalohany nokarakarain’ny Jaim ny omaly. Hanampiana ireo reny mananotena sy ny zaza kamboty […]
Toy ny vao omaly… : Nahatazona ny lazany ry zareo « Génération 2000’s »
Nanodidina ny taona 2000 no tena nitoeran’ny lazan’ireo mpanakanto na tarika nandray anjara tamin’ilay seho « Génération 2000 », omaly. Feno ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina. Lany ny tapakila. Tonga maro ny mpijery ! Tontosa, omaly, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Imahamasina ilay seho an-tsehatra lehibe nampitondraina ny lohateny « Génération […]
FANTINA sy FINTINA
Marina hoe misy ny fisaraham-pahefana: mpanao lalàna, mpanatanteraka, mpitsara. Io no nambaran’ny mpisolovavan’ireo fianakaviana manana ny maty tamin’ny “Raharaha Ambohimalaza”, ny Me Rafidison Eric, teny Anosy, afakomaly. Tsy tokony hitsabaka amin’ny raharaham-pitsarana ny fahefana mpanatanteraka, fa sahirana ny mpitsara. Nifarana teny amin’ny kianjan’ny kanto, Mahamasina, omaly, ny tsenaben’ny Firaisankina naharitra […]
Fihaonana an-tampon’ny SADC: Atao tsara antoka ny fampandehanan-draharaha
Ao anatin’ny fanomanana ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny Sadc, manome lanja manokana ny fanofanana ireo ekipany hiantohana ny fampandehanan-draharahan’izany hetsika lehibe isam-paritra izany i Madagasikara. Ny teny anglisy no teny ofisialin’ny Sadc. Noho izany, manamboninahitra 100 eo ho eo avy ao amin’ ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ireo sampandraharaham-panjakana hafa […]




