Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Niara-nientana tamin’ny fanatsarana sy fanadiovana ny tanàna manodidina an’Antananarivo ny sampandraharaham-panjakana sy ny minisitera isan-tsokajiny. Hetsika ao anatin’ny fanomanana ny fihaonambe faha-45 an’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny Governemanta ao amin’ny vondrona Sadc ny O3 hatramin’ny 18 aogositra 2025, eto Antananarivo, izany. Natao tao amin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro […]

Taom-pianarana vaovao : Mila manatona ny fokontany ny fianakaviana marefo

Momba ny fanomanana ny taom-pianarana vaovao, nampahatsiahy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa misy ny fepetra ho an’ireo fianakaviana marefo tena sahirana mangataka hiditra na hiverina hiditra ao amin’ireo toeram-pampianarana miankina amin’ny fanjakana. “Tsy itakina fandraisana anjara ireo ray aman-dreny marefo ary miankina amin’ny fetran’ny fahafaha-mandrain’ireo toeram-pam­pianarana ny isan’ny ankizy azo raisina”, […]

Faritra Anosy: Nanolotra fiara ny tetikasa Mionjo

Ho fampandrosoana ny asan’ny faritra Anosy izay tantanin’ny governora Rakotovelomanantsoa Voahary, nanolotra fiara tsy mataho-dalana iray ny tetikasa Mionjo. Hentitra ny governora nilaza fa hampiasain’ny mpiara-miasa amin’ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana eny ifotony ny fiara. Ireo talem-paritra tsy manana fiara ihany koa dia afaka mampiasa izany ho amin’ny fanatanterahana ny […]

Tetikasa Lac Iarivo : Ho vita alohan’ny Sadc ny foibe fampirantiana iraisam-pirenena

Mandroso ny asa eny amin’ny Lac Iarivo Ivato. Ho vita mialoha ny handraisana ny fihaonamben’ny Sadc ny Foiben-toerana fampirantiana iraisam-pirenena. Nijery ny fizotry ny asa fanorenana ilay Centre d’exposition international, ao anatin’ny tetikasa Lac Iarivo, eny Ivato, ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana (SENVH), Andria­manohisoa Gérard, […]

TARATRY ny KANTO

“Manala azy vita bacc”, etsy Antsahamanitra. Anio amin’ny 6 ora hariva ilay fotoana ifanomezana isan-taona. Efa tsy ho an’ireo avy nanala fanadinana intsony, fa ho an’ireo mpankafy ny Olombelo Ricky, tao anatin’izay 34 taona nisian’ny hetsika izay. Toy ny isan-taona, hamerina ireo vanim-potoana feno fahatsiarovana eo amin’ireo mpankafy, amin’ny alalan’ireo […]