Mifototra amin’ny angovo maitso, madio sy azo havaozina ny fampandrosoana maharitra. Hanatrarana izany, miara-miombon’antoka ny orinasa Solarmax sy ny Sipem Banque, manamora ny fisitrahan’ny rehetra ny fitaovana sy ny kojakoja ahazoana herinaratra avy amin’ny masoandro, vidiana tsikelikely. Ao anatin’ izany ny takelaka misintona ny herin’ny masoandro, ny vata manova tanjaka […]
Auteur/autrice : Adnews
Canal Plus: Niampy 4 ny fahitalavitra ao aminy
Nambaran’i Christophe Dessaints, tale jeneralin’ny Canal Plus Madagascar, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, omaly, teny Andraharo, fa hiampy efatra ny fahitalavitra malagasy ho hita ao aminy dia ny TVM 2, ny Free TV, ny Malagasy Tv ary ny Real TV. Ao anatin’ireo 9 voalohany izy ireo, ary hanomboka ny […]
Atsimo Andrefana-FER 2025 : Hampiroborobo sehatra maro ny fisian’ny tetikasa lehibe
Nanokatra ny Fihaonambem-paritra ara-toekarena (Fer) Atsimo Andrefana, ny 17-18 jolay, tany Toliara, ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MDAT), Andriantsitohaina Naina. Izy rahateo no mpiahy ny faritra Atsimo Andrefana. Notsipihiny manokana fa « araka ny vinan’ny filohan’ny Repoblika, tsy misy kaominina, na distrika, na faritra ho hadino. Hampiroborobo […]
“Coupe Internationale de Tanà” : Nahomby ny Klioban’ny Tekado
Anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’ny fifaninanana “Coupe internationale de Tanà”, taranja karate, natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny klioban’ny Tekado. Klioba manana ny maha izy azy ary anisan’ny nasain’ny mpikarakara. Fahombiazana no azo ilazana ny vokatra azon’ireo mpikatroka nisolo tena ity klioba ity, izay nampiseho […]
Fivapova : Hanao zaikabe any Toamasina
Nanatanteraka fihaonana ho fampahafantarana ny zaikabe andiany fahefatra ny fikambanan’ny vady polisy sy polisy vavy (Fivapova), omaly, teny Anosy. Nitarika izany ny filoham-boninahitra nasionaly, Rakotoarimanana Faniry, vadin’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ny filoha nasionaly, Randrianirina Tombosoa Malala Priscilla. Efa mipetrapetraka ny fanomanana ny zaikabe nasionaly ary mandray an-tanana izany ireo […]




