Homarihina ny 15 sy 16 jolay izao ny Andro maneran-tany ho an’ny fahaiza-manaon’ny tanora (JMCJ). Anisan’ny hankalaza izany i Madagasikara amin’izao faha-10 taona nanamarihana izany. Lohahevitra mandritra izany ny hoe : “Fanomezana hery ny tanora amin’ny alalan’ny “Saina voatran’olombelona – Intelligence artificielle, IA” sy ny fahaiza-manao niomerika”. Natao hampiroboroboana ara-tsaina […]
Auteur/autrice : Adnews
Madagascar Security Academy: Manana ny fenitra iraisam-pirenena ny karazam-piofanana marolafy
Goavana sy miezinezina ny fotodrafitrasan’ny MSA eny Andakana ary mahasahana karazam-piofanana maro. Manana ny fenitra iraisam-pirenena ny toerana ka ankatoavina maneran-tany ny mari-pankasitrahana azo aorian’ny fiofanana ao aminy. Notokanana omaly, teny Andakana Ambohidratrimo, ny Madagascar Security Academy (MSA) na ny foiben-toeram-piofanana manana tolotra marolafy mahakasika ny fiarovana sy ny fandriampahalemana […]
HJRA: Maro ny karazana fitiliana azo hatao
Maro ny sampam-pitiliana ao amin’ny hopitaly HJRA. Anisan’izany ny laboratoire d’hématologie, ny laboratoire d’immunologie, laboratoire de bacteriologie… Manampy betsaka ny dokotera mitsabo ny fanaovana fitiliana hahafantarana ny tena fototr’aretina na ny singa ilaina na singa tsy ampy anaty vatana. Ankoatra ireo, ny fitiliana hatao ao amin’ny sampandraharaha hématologie anaovana ny […]
Fitiliana ra: 100 isan’andro no raisin’ny sampana « Hématologie »
Miasa andro aman’alina ny ekipan’ny sampandraharaha Hématologie ao amin’ny HJRA, amin’ny fanaovana fitiliana ra hanampy ireo dokotera amin’ny fitsaboana sy fahasitranan’ny marary. Miandraikitra manokana ireo mpijininika ra lava sy ireo manana aretin’ny faingontsela (drépanocytose) ihany koa ny sampandraharaha. Nampahafatatra ireo karazana tolotra ara-pahasalamana ao amin’ny sampandraharahan’ny Hématologie ny Dr Stéphania […]
« Ako sy feo » – Randja Zanamihoatra: Mitohy ny hetsika faha-100 taona
11 Jolay 1997 – 11 Jolay 2025. Nitsingerina, omaly, ny faha-28 taona nahafatesan’i Randja Zanamihoatra na « Ilay poeta marolafy ». Velona mandrakariva ny soratra napetrany. Hianoka izany ny rehetra manomboka ny 17 jolay ho avy izao, etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy. « Ako sy feo », fampirantiana tafiditra ao anatin’ny faha-100 taonan’ity andrarezin’ny […]




