Auteur/autrice : Adnews

Fahasalamana: Notolorana boky ireo mpitsabo

Notoloran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Pr Randriamanantany Zely Arivelo, boky ireo mpitsabo eny anivon’ny tobim-pahasalamana fototra hanampy azy ireo amin’ny fomba fiasa. Mirakitra ny torolalana mahakasika ny fandraisana an-tanana ny marary izany. Miendrika algorithme na ordinogramme izy ity. Miisa 3 000 ireo natonta. Tsy hisy CSB ho hadino na iray […]

Noelin’ny mpiasa: Niara-faly ny mpiasa eo anivon’ny vondrona Andriantsitohaina

Niara-nitotorebika sy nilanona ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny vondrona Andriantsitohaina, ny sabotsy teo. Fety nanehoana ny firaisankina sy ny fifankatiavana eo amin’ny rehetra izy io. Nankalaza ny “Noelin’ny mpiasa” niaraka ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny vondrona Andriantsitohaina, ny sabotsy lasa teo. Natao tetsy amin’ny Manoir Orimbato Antehiroka ny lanonana niarahan’ny […]

«Cours des dirigeants sportifs»: Federasiona 8 nanana solontena

Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny foiben’ny Komity olympika malagasy-Ivandry, ny fanolorana mari-pankasitrahana, ireo mpiofana nanaraka ny « cours des dirigeants sportifs », nokarakarain’ ny Kom. 17 mianadahy (11 lahy sy 6 vavy) no nisitraka izany fampiofanana izany, nanomboka ny fiandohan’iny herinandro iny ary nifarana ny sabotsy teo. Nampiavaka ity andiany […]

Judo-Mada 2024: Mpikatroka 257 nandray anjara

Notanterahina teny amin’ny Kianja mitafon’Ankoron­drano, ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy Vétérans sy ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy Minimes hatramin’ny Seniors, taranja Judo. Mpi­katroka 257, avy amin’ny ligy 7, manerana ny Nosy no tonga nandray anjara. Nambaran’ny filohan’ny federasiona, Bruno Eric Said, fa nisy ireo […]

DAKA AN-JORONY: Antsibe tsara hofana ireo

Velombolo indray ny rehetra, indrindra fa ny mpankafy baolina kitra, fa niarina teo an-tanim-pahalavoana ny Barea de Madagascar. Nitraka rehefa kivy sy trotraka. Miramiran-tava toa diavolam-pararano satria nigoka fandresena indray rehefa nolazoin’ny tsy fahombiazana nisesisesy tao ho ao. Toy ny antsibe tsara hofana tokoa ireo mpilalao avy eto an-toerana ka […]