Auteur/autrice : Adnews

Sehatra ifampidinihana : Miantso ny rehetra tsy hifanome tsiny ny Ceni

Efa nidina ifotony avy hatrany ireo mpikambana eo anivon’ny Ceni, andro vitsy taorian’ny fahavitan’ny atrikasa savaranonando momba ny fifidianana, natao teny Ivato. Nametraka ny sehatra ifampidinihana maharitra eo anivon’ny Ceni sy ireo mpisehatra amin’ny fifidianana izy ireo. Anisan’izany ny antoko politika, ny fiarahamonim-pirenena, tanora, mpitondra fanjakana, fiangoanana, vehivavy, ireo olona […]

Solelaka sy tsikera

  Nahavariana ny mpanaraka tambajotran-tserasera, omaly, ny ranty nataon’ny tomponandraikitra ambony iray amin’ny fitondrana. Fizarana mahakasika ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Horonantsary nahodina, efatra andro mialoha ny niongany teo amin’ny toerana. Nifono zava-dalina ny hafatra tanatin’ilay horonantsary, mahakasika ny fisolelafana sy ny filana ranondranony. Nahay naka lesona ny filoha […]

Kolonely Randrianirina Michaël : “Manakaiky vahoaka ny fitondrana”

Manohy ny asany ny fitondrana Fanavaozana, miezaka manakaiky vahoaka amin’ny fanatanterahana ireo fitakiana teny an-kianja. Tany atsimo, nisy ny fitokanana famatsian-drano vaovao, tohodrano, lalana vita… “Manakaiky vahoaka ny fitondrana”, hoy ny filohan’ny Fa­navaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Mi­chaël, tamin’ny fitokanana ny fitaleavam-paritry ny minisiteran’ny Rano sy ny fanadiovana ary […]

Nanapa-doha zaza varira Olona :18 nalefa eny Antanimora sy Tsiafahy

Niakatra teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, afakomaly, ireo olona 18. Voarohirohy ho namono sy nanapa-doha za­za­vavy varira vao herintaona sy tapany tany Ankalika, kaominina an-drenivohitra Toliara I, ny 28 mey 2026 teo, izy ireo. Nalefa vonjimaika eny Tsia­fahy ny 16 ary eny Anta­nimora ny roa ambiny. Fakana an-keriny niafara tamin’ny […]

Olona roa voasambotra: Vehivavy naolana, voaroba 2 tapitrisa Ar

Notanana vonjimaika eny anivon’ny biraon’ny zandarimaria ny roa lahy ahina ho tompon’antoka tamin’ny fandrobana niharo fanolanana tao Antanamalaza, kaominina Masindray, distrikan’Antananarivo Avaradrano, afakomaly. Mpanao asa an-tselika, niditra an-keriny tao amin’ny tokantranon’ny vehivavy iray mipetra-drery, ireo tovolahy miisa roa, ny talata 9 jona lasa teo, tamin’ny 9 ora alina. Tsy nisy […]