Auteur/autrice : Adnews

Avaratra atsinanan’ny Nosy : Nivadika ho rivodoza Agueda  ilay tangoron-drahona

Mivoatra tsikelikely. Nambaran’ny eo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro (Meteo), omaly, fa lasa rivodoza ilay tangoron-drahona ary efa nomena anarana. Lasa rivodoza ary nomena ny anarana Agueda ilay tangoron-drahona ao avaratra atsinanan’ny Nosy, omaly. Tany amin’ny mano­didina ny 946 km avaratra somary avaratra atsinanan’ Antsira­nana no nisy ny foi­beny, omaly […]

VAOVAO TAMBATRA

Hotokanana ny zoma 23 oktobra 2026 ny masoivohon’ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar) faha-11, any Sambava, faritra Sava. Tanjona ny hanamora ny fandraharahana sy hanamafy ny fanohanana ireo mpandraharaha any an-toerana. Tetikasa hanatsarana ny fahazoana tolotra sy hanamorana ny dingana ara-pitantanana no hatao. Hasongadina mandritra ny “vitrine GMI 2026”, […]

Vondrona eoropeanina : Tohanana ny fandraharahana malagasy

Manamafy ny fahaiza-manaon’ny orinasa malagasy sy hanamora ny fidiran’ny vokatra « Made in Madaga­scar » eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny Vondrona eoropeanina, amin’ny alalan’ ny tetikasa Acte Invest. Nisy ny fihaonana teo amin’ny ma­soivohon’ny Vondrona eoro­peanina eto Madagasi­kara, Roland Kobia sy ny Maison de l’entrepreneuriat (MDE) ary ny Fivondronan’ny mpandraharaha […]

Tetikasa Folur : Endri-tany 86 000 ha hatsaraina

Miompana amin’ny fiarovana ny nofon-tany sy ny sahandriaka ny tetikasa Folur (Food System-Land Use-Restora­tion). Nanomboka ny taona 2025 hatramin’ny taona 2029 ny tetikasa, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA). Nambaran’ny mpandrindra nasionaly (CN), Ramatoa Ratovonirina Hasina, fa tanjona ny fampiasana ny endri-tany hanatsarana ny tontolo ambanivohitra. […]

Jirama : Hosaziana ny tompon’antoka amin’ny fanakorontanana

Anisan’ny nosinganin’ny filohan’ny Antenimierampirenena (Pan), omaly, ny tokony hanaovana fanadihadiana ao anivon’ny Jirama. « Hosaziana ireo tompon’antoka amin’ny fanakorontanana », hoy kosa ny Praiminisitra. Navoitran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, nandritra ny lahateniny, omaly, teny Tsimbazaza, fa anisan’ny misy manakorontana sy manapotika ny ezaka ataon’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo. Maro ny […]