Auteur/autrice : Adnews

Fanolanana nitarika fahafatesana : Ramatoa iray voaheloka 5 taona asa an-terivozona

Renim-pianakaviana iray 38 taona voaheloka higadra 5 taona, taorian’ny fitsarana azy teo amin’ny lapan’ny Fitsarana ambaratonga ambony, sampana ady heloka bevava tao Toa­ma­sina, ny 2 jolay teo. Nifa­nao fotoana tamin’ny sakaizany io ramatoa io. Niara-nanao ny fiainan’ny mpifankatia izy roa saingy nitondra zaza tsy ampy taona ilay vehivavy. Nahita ny […]

Tsingin’i Bemaraha : Toerana lavitry ny fandrosoana nefa mahasarika mpizahatany maro

Maro ny toerana sy faritra manatantara eto Madagasikara. Mahasarika vahiny, indrindra ny mpizahatany, ny fitsidi­hana azy ireny. Anisan’ny toerana be mpitsidika sy mahasa­rika ny Tsingin’i Bema­raha, ao amin’ny kaominina Bekopaka, distrika Antsalova, faritra Melaky, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny ben’ ny Tanànan’ny kaominina Bekopaka, Miandrizoky Jean Baptiste Franklin. Raha ho […]

Fampandrosoana ny kaominina : Hifampizara traikefa ny fikambanana AVCOI

“Sehatra iray nomena an’ ireo ben’ny Tanàna hifam­pizarana traikefa ny AVCOI”. Io ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo Re­ni­vo­hitra, Andrianambony Na­la Clara Michel, ny amin’ny fivoriambe isan-taon’ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna mitantana tanàn-dehibe aty amin’ny faritry ny ranomasimbe In­dianina (AVCOI) izay hatao eto Antananarivo, ny 8 sy 9 jolay. Nijoro […]

Depiote Ratsiraka Sophie: “Tsy azo terena ny vahoaka”

Mbola ny raharahan’ny kaominina Antanambao Maha­tsara, distrikan’i Vatomandry, faritra Atsinanana, ihany… Tsy mety milamina. “Ohatra ny hoe mampihorohoro vahoaka ny ao Vatomandry amin’izao hoe tsy maintsy handray fepetra. Nefa tsy azo terena koa ny vahoaka hanaiky ny olona tsy nofidiny. Tsy fantatra hatramin’izao izay ho vokatr’izany”, hoy ny depiote tsy […]

Minisitry ny Fitsarana : “Mipetraka ny fitokisan’ny Firenena mikambana antsika…”

Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, fa niakatra avo indray ny voninahitry ny firenena. Nasongadina ny dingana vita eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Manamarika ny fahatokisana ananan’ny Fire­nena mikambana (ONU) an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny naha voafidy an’i Tom­bohavana Fabien ao amin’ny komitin’ny Firenena mi­kambana momba ny fiarovana […]