Auteur/autrice : Adnews

Tazomoka ao Ikongo: Mitety fokontany mitsabo ny tomponandraikitra

Mifarimbona amin’ny mpiasan’ny fahasalamana any an-toerana ireo tomponandraikitra eny ifotony ao amin’ny distrikan’Ikongo amin’ny fitsaboana ireo mararin’ny tazomoka. Eo koa ny fanentanana amin’ny fisorohana ny aretina. “Maimaimpoana ny fitsaboana rehetra, toraka izany koa ny fanafody sy ny fandraisana an-tanana ny marary”, hoy ny talem-paritry ny Fahasalamana any an-toerana, Randriamiadana Jacques. […]

Handball – “IHF Trophy” : Tafita hiatrika ny famaranana ny Akio de Madagascar

Samy hiady ny medaly volamena avokoa ny Akio de Madagascar, sokajy U17 sy U19 zazavavy, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka “IHF Trophy”, taranja handball, faritra faha-7. Fandresena hatrany no azon’ireo ekipa malagasy roa ireo, tamin’ny fifanintsanana. Famaranana roa no ha­taon’ny Akio de Mada­gascar, taranja handball sokajy zandriny U17 sy […]

TSELATRA

Nodorana tany Ankadilalambe, afakomaly, ireo rongony 42 kitapo tratran’ny Polisim-pirenena tany Ihosy. Nitarika ny fandorana izany ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny tribonaly ambaratonga voalohany Ihosy. Notronin’ny lehiben’ny kaomisaria Ihosy, ny Prefet, ny Governora ary ny avy amin’ny Zandarimaria. Tratra ny 11 mey teo ny rongony 34 kitapo tamin’ny lalam-pirenena […]

Tratry ny « caméra de surveillance » : Ankizilahy 12 taona nandoro kidoro 30 isa

Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ny ankizilahy 12 taona nandoro kidoro am-polony tao Ampasam­bazaha, kaominina Fiana­rantsoa. Nitrangana fahamazaina tampoka tao amin’ny toeram-pivarotana kidoro iray tao an-toerana, ny alahady 25 mey teo, tamin’ny 2 ora tolakandro. Nirehitra tampoka ny kidoro namidin’ny tompon-tsena. Nalaky azon’ny afo ireo entana ireo ka niteraka fatiantoka […]

Nilaza ho mahatafiditra mpiasa: Mpisoloky naiditra am-ponja

Naiditra am-ponja ilay lehilahy mpisoloky voasambotry ny polisy tao Antsirabe, afakomaly. Olona miisa efatra nametraka fitoriana noho ny fisandohana nataon’io lehilahy io. Nilaza ho mahatafiditra mpiasa eo anivon’ny orinasa Jirama izy. Mody miantso olona amin’ny alalan’ny telefaonina. Miresaka mombamomba azy amin’ilay olona ho solokiana izay tsy lavitra azy aorian’izay. Noreseny […]