« Iza no izy » ? Tantara nosoratan’i Willy Rabarijaona. Holalaovina an-tsehatra, etsy amin’ny efitrano fanaovam-petin’ny Sekoly Sainte Famille Mahamasina, ny alahady 1 jona izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Tantaram-pitiavana nanamarika ny vanim-potoanan’ny « tolona » tamin’ny taona 1947. Tazana ao anatiny ihany koa, anefa, ny hatsikana eny an-tsefantsefan’ny tantara. Anisan’ny tanjona amin’izao seho […]
Auteur/autrice : Adnews
« Playlisitra »: Hiray sehatra ireo mpiangaly rap ankehitriny
Rap mampiray. Rap mitondra hafatra. Hampitan’ireo milomano ao anatiny ny fijeriny izay miainga anatin’ny fiarahamonina amin’izao fotoana ny hetsika. Tsy hoe ratsy sy tsara ! Fa misy kosa ny zokiny sy zandriny amin’ireo samy mpisehatra amin’ny rap gasy. Miezaka manome sehatra ny rehetra ny vondrona Kolontsaina Mainty. Taorian’ny « Zaza Rap Taiza » […]
Fanabeazana maha olona: Misy fiantraikany amin’ny toe-tsaina ny mozika henoina
Fialamboly, manala sorisory, mandrotsirotsy… Samy tranga sy zava-misy ateraky ny fandrenesana mozika avokoa ireo. Mazana, hatreo ihany ny fandraisan’ny olona ny fiainana miaraka amin’ny mozika. Tsy ampy anefa izany… Na tsy mba nilona tao anatin’ny siansa naharitra aza ny Malagasy, manana fahalalana mampiaiky volana izao tontolo izao izy amin’ny maha […]
SOMBIM-BAOVAO
Maro amin’ireo mpankafy ny taranja baolina kitra malagasy no manaitra ny tomponandraikitra ankehitriny mahakasika ny Kianja Barea. Tsy nahenoina tohiny intsony moa ny resaka momba ity kianja ity amin’izao fotoana izao. Hanomboka anio 30 mey ary hitohy hatramin’ny 1 jona izao ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja beach-volley. Any Toamasina, […]
fanadiovana omby halatra: Mila atsangana ny rafitra hanafoanana izany
“Tsy mety ho tanteraka ny hahalafo ny omby, raha tsy vita taratasy. Iza àry no manao ny taratasy? Izay ilay zavatra odian-tsy hita. Nefa izay no tena jerenay voalohany”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny fikambanana Fiaraha-mientan’ny vondron’olona afaka tomponandraikitra (Fivato), Radimbielson William, manoloana ny fandanian’ny Antenimierampirenena ny tolo-dalàna momba ny […]




