Auteur/autrice : Adnews

SOMBIM-BAOVAO

Hanomboka anio, any Mahajanga, ny fifaninanana baolina kitra lalaovina amin’ny torapasika « Festival Beach Soccer ». Fifanintsanana hitiliana ireo mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar beach soccer. Tsara ny mampahatsiahy fa misy ny fanofanana mpanazatra mandritra ny hetsika. Raha tsy misy ny fiovana, mety ho faritra 12 no hifanandrina amin’izany. Nandrombaka medaly […]

Tsipy kanetibe: Nanao pao-droa i Matsiatra Ambony

Nametraka ny tantarany ao anatin’ny fifaninanam-pirenena ihany koa, ankehitriny, ny ligin’i Matsiatra Ambony. Nandrombaka anaram-boninahitra roa izy ireo nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe ho an’olon-droa miaraka. Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Soamandrakizay, ny fiadiana ny tompondakan’i Ma­dagasikara, taranja tsipy ka­netibe ho an’olon-droa miaraka. […]

Toekarena mihodina : Hamafisina ny tetikasa kopakelatra

Olana goavana atrehin’izao tontolo izao ny loto avy amin’ ny tavoahangy plastika. An-tapitrisany isan-taona ny ariana sy very eny rehetra eny. Manoloana ireo, hamafisin’ny orinasa Star ny tetikasa Kopakelatra, hitantanana ny fako plastika. Miisa 131 ny vata naparitaka, 93 amin’ny toerana stratejika an-tanàn-dehibe miisa enina. Natao hanangonana ny tavoahangy plastika […]

Rakotoarimanana Henintsoa: Mijery ny tombontsoan’ny vahoaka ny filoha

Ho avy eto Madagasikara, anio, ny filohan’i Slovenie, Natasa Pirc Musar. Hanamafy ny fifanarahana ara-diplaomatika eo amin’i Madagasikara, izay tarihan’ny filohan’ny Re­poblika, Rajoelina Andry, sy i Slovenie, no tanjona amin’ity fitsidihana ity. Nilaza ny heviny mahakasika izany ny ben’ny Tanànan’Andoharanofotsy, Rakotoarimanana Henintsoa na ny maire Tôta. “Manana filoha mijery ny […]

Diplaomasia : Nampahafantatra ny « plats classiques » i Turquie

Toy ny fanao nanomboka ny taona 2022, nankalazaina ny 23 mey teo, teny amin’ny masoivoho tiorka Ivandry, ny Andron’ny sakafo tiorka. Niavaka tanteraka ny hetsika tamin’ity taona ity noho izy nifantoka tamin’ireo sakafo fahita andavanandro sy eny rehetra eny na « plats classiques ». « Sakafo ara-pahasalamana sy feno otrika hery isan-karazany ary […]