Naratra mafy voan’ny bala tao amin’ny faritry ny lamosiny ny zaza iray 5 taona, raha toa ka voa teo amin’ny tongony ilay zokiny 6 taona, tao amin’ny kaominina Isoanala, distrika Betroka, ny alin’ny alahady 23aogositra teo, tamin’ny 8 ora. Sendra alina ny raim-pianakaviana iray sy ny zanany roa vao tonga […]
Auteur/autrice : Adnews
Kaominina Bongatsara : Tovolahy voatsatoka antsy hita faty
Mitohy ny fahitana olona maty. Tovolahy iray niara-nisotrosotro tamin’ny namany tao amin’ny fanaovana Karaoké iray eny Bongatsara indray no hita faty tao amin’ny toeram-pivoahana, afakomaly maraina. Mandeha ny fanadihadiana. Novonoina tamin’ny alalan’ny zava-maranitra, tovolahy 21 taona hita faty teo am-baravaran’ny toeram-pivoahana anatin’ny Karaoké iray ao Antetezana, fokontany Ambohibao, kaominina Bongatsara, […]
Tapôlaka Glady Timeless : Nanamafy indray ny maha andrarezina an’i Rossy
Seho goavana sy tsara fiomanana. Iray amin’ireo nanamarika ny tantaran’ny hira malagasy tamin’ity taona 2026 ity ny Tapôlaka Glady Timeless. Seho tsara rindra. Tsara fiomanana. Tazana sy niainana nandritra ilay seho goavana « Tapôlaka Glady Timeless » notanterahina ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina avokoa ireo. […]
Tarika Loharano: Nomen-danja ny hira sy ny dihin’ny Ntaolo
Seho ankalamanjana nanana endrika fampianarana sy fampitan-kafatra ary tsodrano. Notanterahina ny sabotsy teo ilay hetsika lehibe nanandratana ny « Hiran’ny Ntaolo sy dihin’ny Ntaolo » notanterahina teo Analakely. Taorian’ny diabe niainga teny Ambohijatovo izay nifarana teo anoloan’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, notanterahin’ny tarika Loharano sy ireo vondrom-piarahamonina samihafa ny fanehoana ireo […]
INDRAY MIJERY
Ny fandalovan’ny rindrin-drahona no hamaritra ny toetry ny andro any amin’ny Faritra atsimon’ny Nosy. Varatraza malefaka kosa ho an’ny any an-kafa. Tombanana hahazo vahana kokoa ny varatraza eto Madagasikara, manomboka ny alakamisy ho avy izao. Misy ny fampitandremana noho ny haavon’ny alondrano sy ny hamafin’ny rivotra, manomboka ny alarobia ho […]




