Auteur/autrice : Adnews

Elgeco Plus : Mikasa haka mpilalao any ivelany

Araka ny fanadihadiana natao omaly, manana fikasana haka lohalaharana any ivelan’i Madagasikara ny ekipan’ny Elgeco Plus. Efa manana an’i Ismaily, mpilalao kameroney moa ity klioba ity amin’izao fotoana izao, saingy mbola mikasa hanampy olona amin’io toerana io. Tanjona amin’izany ny hahazoan’ny Elgeco Plus, ny anaram-boninahitr’i Madagasikara, ary ny hidirana tanteraka […]

« Rugby Africa Women’s Cup 2025 » : Miomana fatratra ny Makis Ladies

Afaka 15 andro, hiatrika ny fifaninanana afrikanina indray ny ekipam-pirenena, vehivavy, Makis Ladies. Efa manao fanazaran-tena ry zareo, ankehitriny. Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afri­ka, taranja rugby sokajy vehivavy, ny Makis Ladies. Fihao­nana hotanterahina eny amin’ny Kianja Makis Andohatape­na­­ka, ny 5 hatramin’ny 16 jona ho avy […]

INDRAY MIJERY

Taorian’ny fitsidihan’ny minisitry ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny sekoly ambony Politeknika Antananarivo (Espa) ao Vontovorona, miroso avy hatrany ny asa fanamboarana ireo trano fidiovana ao amin’ireo trano fonenan’ny mpianatra sy ny trano vaovao R+1. Nitsidika ny fizotran’ ny asa, teny an-toerana, ny talen’ny Crou-A, Mamisoa Aina. Tafiditra […]

Tsenabe Fivoarana, andiany faharoa: Hampanakaiky ny tantsaha sy ny mpanjifa

Hotanterahina ao Mia­kadaza Imerintsiatosika, ny 26 hatramin’ny 29 mey ho avy izao, ny Tsenabe fivoarana, andiany faharoa. Hetsika karakarain’ny fikambanana Fivoa­rana. « Manodidina ny 5000 isan’andro fara fahakeliny ny olona andrasana hitsidika mandritra ny hetsika, ary irariana mba ho tonga 1 hetsy mahery izany», hoy Rajerison Antoine, solombavambahoaka voafidy tany amin’ny […]

« Université d’été » : Haharitra hadimiana ny ao Fianarantsoa

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fiandohan’ny herinandro teo, tao amin’ny Amphithéâtre EMIT, ny « université d’été » andiany faharoa, izay haharitra dimy andro ho an’ny Oniversiten’i Fianarantsoa. Hisy ny atrikasa fanadihadiana ny fampiasana sarin-tany mandritra io fotoana io, mivoy ny lohahevitra : « L’intelligence artificielle au cœur de l’analyse géospatiale […]