Takalonaina telo mianaka votsotra teny am-pelatanan’ny mpaka an-keriny tao amin’ny kaominina Ambohibary Vohilena, distrikan’Anjozorobe, ny 9 mey teo. Nalain’ny olon-dratsy ny alin’ny 16 avrily lasa teo ireo olona ireo. Nokasaina hangalana vola ny fianakavian’ny lasibatra saingy tsy nahomby ny teti-dratsy. Mpitandro filaminana telo namoy ny ainy nandritra ny fifampitifirana tamin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Vazaha mivady voaroba: Voasambotra tany anaty ala ny mpiambina
Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny mpiambina roa lahy tao amin’ny trano fonenan’ny teratany vahiny iray sy ny vadiny, tao amin’ny kaominina Antanamitarana, distrikan’Antsiranana II, ny alahady 13 mey teo. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ ny trano fonenan’io raim-pianakaviana io sy ny vadiny. Dimy lahy niditra an-keriny ka nampihatra herisetra avy hatrany. […]
Fifamaliana : Lehilahy maty voatsindrona antsy
Lehilahy iray 17 taona maty notsatohan’ny namany antsy, tany amin’ny tsenan’ i Bejofo, fokontany sy kaominina ambanivohitra Ankadinondry, distrikan’i Tsiroanomandidy, faritra Bongolava, afakomaly. Hitan’ny olona nifamaly sy niady ny lehilahy roa tao amin’io tsenan’i Bejofo io, tokony ho tamin’ny 6 ora sy 20 minitra hariva. Nandray antsy ny iray tamin’izy […]
Lozam-piarakodia teto an-dRenivohitra : Olona efatra maty tanatin’ny roa andro
Nahatratra efatra ireo olona matin’ny lozam-piarakodia niseho teto an-dRenivohitra tanatin’ny roa andro, afakomaly sy omaly. Telo namoy ny ainy nandritra ny fifandonana niseho tetsy Tsarasaotra, afakomaly. Vokatry ny tsy fitandreman’ ny mpampiasa lalana avokoa ny nahatonga ireo lozam-pifamoivoizana ka nitarika tamin’ny famoizana aina. Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona telo teny amin’iny […]




