Nanapa-kevitra ny hanampy ny mpiara-miasa aminy, ny kaomity misahana ny baolina kitra aty amin’ny faritra Atsimon’i Afrika, Cosafa. Nantsoin’izy ireo hanatevina ny ekipany, ny filohan’ny Federasionina Malagasin’ny Baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred. Manana solontena malagasy, ny kaomitim-panatanteraka (CE) eo anivon’ny Cosafa, amin’izao fotoana izao. Araka ny vaovao voaray, omaly, ny […]
Auteur/autrice : Adnews
VAOVAO TAMBATRA
Natao, omaly, ny fanatsarana ny lalana eny Analakely. Mirefy 100 m eo ho eo no natao, miainga eo amin’ny tranombarotra Super U hatreny amin’ny vavahadin’ny kaominina CUA. Nokikisana ny godirao teo aloha ary nosoloina vaovao. Manatanteraka ny asa ny Colas, manohy ny efa natao teo aloha. Hiara-kiasa ao anatin’ny fandaharanasa […]
Vovonana Fiharoa: Iraisan’ny mpomba sy ny mpanohitra ny tetikasa Base
Natsangana, ny herinandro lasa teo, ny vovonana Fiharoa any amin’ny kaominina Ankilimaliniky sy Tsianisiha. Natao handrindra ireo mpomba sy mpanohitra ny tetikasa Base Toliara. Ahafahana mifampidinika sy mifanakalo hevitra eo amin’ny mponina eny ifotony. Mba hisian’ny fitakiana miray feo sady hiarahana misitraka ny tombontsoa azo amin’ny orinasa Base. Nisantatra ny […]
Angovo : Dinika ho an’ny politikan’ ny solika
Natao ny 22 avrily teo, ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny Ofisy malagasy mahakasika ny vokatra ara-tsolika (OMH), ny minisitera mpiahy ity sehatra ity ary ireo orinasa misehatra amin’ny solika (mpaninjara, mpitahiry, sns). Maromaro ny hevi-dehibe nodinihina, toy ny fanehoan-kevitra momba ny fandrafetana ny Politika mahakasika ny solika avy any ambony (Lettre […]
Fihaonana faharoan’ny mpitantana : Hiresaka ny teknolojia ao anatin’ny fitantanana
Tsy afa-misaraka eo amin’ny tontolon’ny asa ny nomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra hampandrosoana ny fandraharahana sy ny fitantanana. Maro ny tombontsoa entiny, misy koa ireo voka-dratsin’ny fikirakirana ny teknolojia. Hampahafantatra ireo tombontsoa sy ny fiantraikan’ny fampiasana ny teknolojia eo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy ny fitantanana ny Dr Fabrice […]




