Nitsidika ny distrikan’i Morombe ny tale jeneralin’ny ivontoeram-pampianarana avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Ranosy Eliane. Nitafa tamin’ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana any an-toerana izy nandritra ny diany. Voaresaka tao anatin’ny dinika ny fitantanana ireo fotodrafitrasam-panabeazana misy sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny mpiray ombon’antoka. Nitsidika ireo sekoly efatra amin’ny 22 hatsangana miaraka […]
Auteur/autrice : Adnews
Tetikasa Otho-SENVH: Vita ny zara tany teny Tsiafahy
Natao omaly ny zara-tany teny amin’ny kaominina Tsiafahy amin’ilay tetikasa “Tany iray, trano iray” imasoan’ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny trano fonenana (SENVH), izay tarihin’ny sekreteram-panjakana, Andriamanohisoa Gerard. Tany mirefy 2 ha no nozaraina ho an’ny olona 96 izay tsara vintana tamin’ny fisarihana natao nandritra ny fisoratana, 2 […]
Ady amin’ny fampiasana ankizy: Natao ny fakan-kevitra teto Analamanga
Natao tamin’ity herinandro ity, ny fakan-kevitra ho an’ny faritra Analamanga, izay handrafetana ny drafitra nasionaly mahakasika ny ady amin’ny fampiasana ankizy. Nisy ny dinik’asa ka lohahevitra maromaro no naroso tamin’izany, toy ny lalàna sy ny fampiharana azy, ny fampananan’asa, ny fampianarana, ny andraikitry ny sehatra tsy miankina sy ny orinasa […]
Fiangonan’ny Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny andro farany: Nanolotra sakafo sy fitaovana ho an’ny traboina teny amin’ny BNGRC
Mpanohana tsy tapaka ny BNGRC ny Fiangonan’ny Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny andro farany nanomboka ny taona 2020 no ho mankaty rehefa misy voina na loza miseho ka mahavoa ny mpiara-belona. Hapetraka ho tahiry ireo sakafo sy fitaovana azo hiomanana sahady amin’ny voina toy ny afo sy ny hafa. Efa […]
TARATRY ny KANTO
« Hikalo ny kanton’i Bessa & Lôla ». Araka ny fanazavana nomen’i Faniry Raelison, iray amin’ireo hanatanteraka ity seho etsy amin’ny CCEsca Antanimena ny tolakandron’ny 11 mey ity : « 40 eo ho eo ny hira ho hirainay. Ao ireo hira nahafantarana an’i Bessa sy Lôla. Ao ihany koa ireo hira noforoniny ihany koa […]




