26 taona izao no nisian’ny fahitalavitra Tv Plus Madagascar. Ho fanamarihana izany, nanolotra ireo sanganasa mba ho tahiry sy vakoka ho an’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ireo tomponandraikitry ny fahitalavitra, omaly, tetsy amin’ny Havoria Anosy. Mba ho tahiry sy vakoka amin’ny haino aman-jery sy ny tantaram-pirenena io, izay anjara […]
Auteur/autrice : Adnews
Fahasalamam-bahoaka: Nisitraka fitaovana avy amin’ny Rosianina
Nanolotra laboratoara ahafahana mamantatra manokana ireo karazana tsimokaretina sy valanaretina, teny amin’ny LA2M Androhibe, ny solontenan’ny firenena rosianina, omaly. Miavaka io laboratoara io noho izy anaty fiara ka afaka entina mitety toerana maro. Manoloana ny firoboroboan’ny teknolojia, manampy ny mpitsabo mpikaroka amin’ny fitiliana ireo santionan’aretina mandringana toy ny Ebola, ny […]
Pôle de l’entrepreneuriat: Tantsoroka ho an’ny mpandraharaha
Fotoana iray nampivondrona ireo mpanome tantsoroka, mpanohana sy mpamatsy volan’ny mpandraharaha ary ireo sehatra samihafa ny hetsika « pôle de l’entrepreneuriat », andiany fahefatra, no karakarain’ny maison de l’entrepreneuriat, ny sabotsy teo, tetsy Antaninarenina. « Tanjona ny hanampiana ireo mpandraharaha ao anatin’ny lalam-pihariana ataony sy hanomezana torohevitra azy ireo ao […]
Tsingerin-taonan’ny AJT: Nosokafana tamin’ny alalan’ny fambolen-kazo
Feno 17 taona ankehitriny ny nijoroan’ny fikambanan’ny mpanao gazety any Toamasina (AJT). Notanterahina tany an-toerana ny hetsika fankalazana, ny sabotsy 26 avrily lasa teo. Nanamarihana izany ny fambolen-kazo ary ny fizarana tolotra ho an’ny mpanao gazety sy ho an’ny tokantrano marefo. Heni-kaja sy voninahitra ny hetsiky ny mpanao gazety ao […]
SOMBIM-BAOVAO
Voahosotra ho klioba mendrika indrindra, ny Checkmat, nandritra ny fifaninanana « Grappling Winter Tournament », Jiu-jitsu, natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo ny « fair-play » kosa, ny Icon JJB avy any La Réunion, izay tonga teto Madagasikara niatrika ity fifaninanana nokarakarain’ny JJB Attila ity. Hiditra amin’ny andro fahatelo […]




