Auteur/autrice : Adnews

Muay Thai-Mada 2025: Niakatra ny haavo teknikan’ny mpikatroka

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny efitranokely, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Muay Thai, ho an’ny taona 2025. Mpikatroka 120 no tonga namaly ny antso avy amin’ny ligin’i Vakinankaratra, Mahanoro, Atsinanana ary Analamanga. Nambaran’ny filohan’ ny Federasionina malagasin’ny Muay Thai, Rako­toalizao Hainatiana Gervais, […]

Futsal – Can 2025 : Hiady ny laharana faha-5 ny Barea Ladies

Hotanterahina anio, any Maroc, ny ady laharana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Futsal. Tsy tafita tany amin’ny dingan’ny manasa-dalana ny Barea Ladies. Ny fiadiana ny laharana fahadimy sisa no handrandrain’izy ireo amin’ity. Araka ny fikarohana natao, i Egypte no hifanandrina amin’ny ekipam-pirenena malagasy. Tsiahivina fa nihazona ny laharana […]

Tenisy – «Circuit U10 U12 U14 »: Hanazarana ireo ankizy amin’ny fifaninanana

Nioty vokatra ny ekipa teknika eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny tenisy, tarihin-dRazanamasy Lala, nandritra ny fikarakarana ny “circuit” ho an’ireo kilongalahy sy vavy U10 sy U12 ary U14. Niakatra ny lentan’ireo ankizy mifaninana izay mitombo isa hatrany. Nifarana ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Ankatso ny “circuit” taranja tenisy ho […]

INDRAY MIJERY

Ny tsiokan’ny alizay tsy marin-toerana indraindray any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy no handrafitra ny toetry ny andro, nanomboka omaly hatramin’ny zoma ho avy izao. Ny fandalovan’ny rindrin-drahona ao atsimon’ny Nosy kosa aorian’izay. Hisy orana malefaka miatoato any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana, afovoany atsinanana ary atsimo atsinanan’ny Nosy hatramin’ny zoma. Hisy […]

Sehatry ny fizahantany : Niofana ireo mpanombantombana amin’ny VAE

Notanterahina nandritra ny roa andro, ny herinandro lasa teo, tao amin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ny fiofanana ho an’ireo mpanombantombana (Evalua­teurs) en Validation des Ac­quis de l’Expérience (VAE). Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fam­pianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, amin’ny alalan’ny direction des evaluations professionnelles et de […]