Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Naneho hevitra ny momba ireo Nosy Mala­gasy ny depiote, Ratsiraka Sophie. “Miaraka miaiky isika fa tsy mbola manana fitaovana entina miaro sy mitrandraka ny zava-misy ao”, hoy izy. Nanteriny anefa fa tokony isika Malagasy no tsara miresaka matotra sy mametraka raha hiara-mitantana ireo Nosy ireo, ahafahana mijery ny fepetra rehetra […]

Mpandimby ny papa François : Raikitra ny fanomanana ny fifidianana

Tsy miandry ela! Hotan­terahina, manomboka ny alarobia, fahafiton’ny mey ny fikatonan-trano “Conclave”, hifidianana ny handimby ny toeran’ny papa François, taorian’ny fodiamandriny. Efa nanomboka nivory, omaly, ireo kardinaly rehetra tonga any Vatican amin’izao fotoana izao nandinika ny ho fizotry ny fifidianana ho eo amin’ny toeran’ny fiketrahana Masina. Anisan’ny notapahana tamin’ izany […]

Mifanahim-bibidia

  Vita izay ny fivoriana isan-karazany, nandraisana vahiny. Nilamina tokoa ny tanàna tao anatin’ny andro vitsy. Nadio ara-bakiteny sy ara-keviny ny teto an-drenivohitra. Voafehy ny fitandroana ny filaminana teto am-povoan-tanàna sy ny manodidina. Tsy nandrenesam-baovao na nahitana ranty mahakasika ny asan-jiolahy ny fitaovana fampitam-baovao sy ny tambajotran-tserasera. Nandalo dia nisera […]

Fitsarana momba ny kaonty: Arahi-maso ny fitantanam-bolan’ny kaominina

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tao Fianarantsoa, ny tatitra ampahibemaso momba ny fitsirihana ny fampiasana ireo volam-panjakana. Teo koa ny fanofanana ireo ben’ny Tanàna. Nitarika izany ny eo anivon’ny Fitsarana mom­ba ny kaonty ho an’ny fitsarana ara-bola. Anisan’ny nisongadina koa ny fanentanana sy fampiofanana fohy ireo andraikitra sy lalàna momba […]