Tsy mitsahatra ny mivoatra ny Malagasy mpilomano, i Tendrinavalona Idealy, any Thaïlande, ao anatin’ny fisitrahany ny vatsim-pianarana taranja lomano, mandritra ny herintaona. Ankoatra ny fiofanana amin’ny endriny maro, miatrika fifaninanana matetika ihany koa izy any an-toerana. Fifaninanana natrehany, ny alarobia lasa teo, ny “Thaïlande national” ho an’ny dobo filomanosana 50 […]
Auteur/autrice : Adnews
SOMBIM-BAOVAO
Ho fantatra amin’ny faran’ny herinandro izao ireo ekipa valo hiatrika ny lalao ampahefa-dalan’ny fifaninanam-pirenena « Pureplay Football League ». Ny ekipan’ny Asa Diana sy ny Fosa Junior ary ny Disciples FC, izay efa tafita no hiatrika izany. Tsara ny mampahatsiahy fa ny Fosa Junior no tompondaka farany, tamin’ity fifaninanana ity. Notanterahina teny […]
Taekwondo : ho avy eto Antananarivo ny Me Sicard
Araka ny vaovao nampitain’ny Federasiona malagasin’ny taekwondo (FMTKD), ho tonga eto Antananarivo ny Maître Olivier Sicard, teratany Malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay ary mpikatroka taekwondo 7ème dan. Hizara traikefa ho an’ireo Malagasy mpikatroka izy ny 16 sy ny 17 avrily ho avy izao, eny amin’ny ANS Ampefiloha. Tsiahivina fa efa […]
Rugby vehivavy : hanatevina ny Makis Ladies i Sorin
Hanao izay fara heriny ny Makis Ladies handrombahana ny fandresena amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2024), eo amin’ny rugby lalaovina olona 15. Ankoatra ireo mpilalao eto an-toerana, ho avy i Jeanne Sorin, mpilalaon’ny Racing 92. Mitohy hatrany ny fanomanantenan’ny Makis Ladies, eo amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho […]
VAOVAO TAMBATRA
Volamena 450 g, manana taham-pahadiovana 98%, miendrika lingot roa, no tra-tehaky ny polisin’ny harena an-kibon’ny tany sy ny polisim-pirenena. Tsy nahitana taratasy mazava manamarina ny fitondrana sy fivarotana azy ireo volamena. Napetraka eny anivon’ny Banky foibe izany mandra-piandry ny valin’ny fanadihadiana. Hatsangana ao amin’ny kaominina Ambodilazana, 40 km miala an’i […]