Auteur/autrice : Adnews

SOMBIM-BAOVAO

Miatrika ny fifaninanana afrikanina ITF/CAT U16 izay hatao any Alger, renivohitr’i Algerie, i Mitia Voavy Andraina, vehivavy malagasy mpilalao tenisy. Raha ny fantatra, nianto-tena ity Malagasy atleta ity. Tsara ny mampahafantatra fa mety hanarina ny lesoka hita nan­dritra ny lalao Afrikanina natao tany Accra Ghana i Mitia Voavy amin’ity fifanintsanana […]

Taekwondo: hofantatra anio ny ho filohan’ny federasiona

Hotanterahina anio, eny Alarobia, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona mala­gasin’ny taekwondo (FMTKD). Miisa roa ireo kandidà hofidina amin’izany. Anisany ny filohan’ ny FMTKD teo aloha, Rama­nantsoa Christian, sy ny lehiben’ny ligin’Analamanga teo aloha, Rakotomanana Franck Tiana. Tsiahivina fa amin’io fo­toana io vao hijoro ny vaomiera mikarakara ny fifidianana (Ceni). […]

3FB Toliara sy Mama FC: natsahatra ny lalao

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny andro fahafito, fifaninanam-pirenena, « Pureplay Football League (PFL) », taranja baolina kitra. Nisy ny lalao natsahatra noho ny fikasihan-tanana nataona mpijery iray tamin’ny mpitsara, teny Vonto­vo­rona, nandritra ny fifanandrinan’ny 3FB Toliara sy ny Mama FC. Araka ny loharanom-baovao iray, najanona teo amin’ny minitra faha-35, fizaram-potoana voalohany, […]

Rugby – “Can 2024”: hanala vela amin’ny ekipan’ i Kenya ny Makis Ladies

Efa ao anatin’ny fanomanantena farany amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby ho an’olona 12, vehivavy, ny Makis Ladies. Hanala vela amin’i Kenya sy i Afrika Atsimo izy ireo amin’ity. Mitohy etsy amin’ny kianja Makis Andoha­tapenaka ny fanazarantenan’ny Makis Ladies, eo amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho […]