Namela takaitra mavesatra any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy ilay rivodoza Jude nandalo tamin’ny faran’ny herinandro teo, tany an-toerana. Raha ny tatitra vonjimaika avy amin’ ny BNGRC ho an’ny sabotsy teo, olona 9 698 no traboina, avy amin’ny tokantrano miisa 3 085. Ao Ampanihy Andrefana ny 409 amin’ireo, ao Toliara I […]
Auteur/autrice : Adnews
Rajoelina Mialy : Nitondra fanampiana ho an’ ny tokantrano 160 traboina
Tsy manadino ireo mpiray tanindrazana traboina vokatry ny fahavakisan’ny fefilohan’Imamba ny vadin’ny filohan’ny Repoblika. Nitondra tohana hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo mponina izy ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny distrika Antananarivo Avaradrano. Nanatanteraka hetsika ara-tsosialy nentina nanohanana ireo fianakaviana traboina noho ny fahavakisan’ny fefilohan’Imamba, distrika Avaradrano, ny fiadidiana ny Repoblika. Tamin’ny alalan’ny […]
Minisitra Marson Moustapha Abdulah: « Zava-dehibe ny fitaizana skoto »
Nankalazaina afakomaly, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny andro afrikanina ho an’ny skotisma, andiany faha-15. Tonga nanatrika izany ny ray mpiahy ny hetsika, i Marson Moustapha Abdulah, minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Nambarany nandritra ny lahateniny fa zava-dehibe ho an’ny firenena ny fananana tanora voataiza amin’ny fomba skoto. […]
Fifanintsanana « Mondial 2026 » : Niatrika fanazaran-tena i Couturier sy i Tommy Iva
Afaka roa andro eo sisa, hifandona amin’ny les Fauves Centrafrique ny Barea de Madagascar. Fihaonana hatao any Maroc, ny alarobia 19 marsa ho avy izao, ary tafiditra amin’ny andro fahadimy, fifanintsanana “Mondial 2026”. Araka ny vaovao voaray omaly, efa tonga any Maroc, ny mpilalao milaravinahitra toa an-dry Clement Couturier sy […]
DAKA AN-JORONY: Mahaiza mandefitra, mahafeheza tena
Zava-dehibe ho an’ny fiatrehana fifaninanana ny firaisan-tsaina sy ny firaisankina. Na ho an’ny taranjan’olon-tokana izany na ho an’ny iraisana. Tsy misy mantsy ny mahavita tena na iray aza fa ilaina hatrany ny fifanohanana. Mifampiankina ny zavatra atao vao mahatratra tanjona. Ilaina koa anefa ny fikirizana fa io no milina iray […]




