“Ilaina ny mpanohitra eto amin’ny firenena, fa arofanina amin’ny tany demokratika”, hoy ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina tany amin’ny distrikan’i Faratsiho, Vakinankaratra, Ramilison Nomenjanahary. Tsy hoe fahavalo na anaovana vavabe etsy sy eroa amin’ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga ny mpanohitra. Tsy mpifahavalo ny mpitondra sy ny mpanohitra, fa ny hevitra […]
Auteur/autrice : Adnews
Voin-kava-mahatratra
Eo amin’ny fiainana, misy ory hava-manana? Tsy iza fa izay tsy mahazaka ny hafa misandratra sy misondrotra. Indrindra izay akaiky ny tena, iray lahatra amin’ny tena na niara-niainga tamin’ny tena, mpifaninana amin’ny tena… Amin’izany rehetra izany, tsy vitan’ny hoe ory fotsiny ny sasany fa mankahala, manaratsy, manao izay haminganana… […]
Jly Ravalomanana Richard: “Natao ho an’ny vahoaka ny mpiasam-panjakana”
Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ny andiany “Vanona” eo anivon’ny Sekolim-pirenena momba ny fitantanana ny raharaham-panjakana- Enam. Nanafatrafatra azy ireo ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nambarany tamin’izany ny amin’ny tokony hanatsarana hatrany ny fomba fiasa amin’ny fanatanterahana ny asam-panjakana. “Aoka mba ho ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy sy ny […]
TSELATRA
Namoy ny ainy, nisy namono ny zanaky ny ben’ny Tanàna ao Tanambao, distrikan’i Bekily, afakomaly. Notafihan’ny andian’olona ny trano fonenan’io ben’ny Tanàna am-perinasa io. Lasibatry tamin’izany ilay zanany lahimatoa. Taksiborosy nahatraran’ny zandary rongony milanja 13 kilao tamin’ny RN1, teo Ankadimaimbo, fokontany Ambohibary, kaominina Analavory, omaly atoandro. Natao anaty fonosana, natambatr’io […]
Ambohimalaza : Mpivarotra fiara hita faty nisy namono
Nahitana vatana mangatsiakana raim-pianakaviana iray 53 taona, tetsy Andranonomby, kaominina Ambohimalaza, ny zoma tamin’ny 6 ora sy sasany hariva lasa teo. Efa niala tamin’ny vatany ny lohany sy ny tanany ary ny tongony. Ankizy kely nilalao teny amin’ny manodidina no nahita io faty niparitaka teny an-toerana io ka niantso ny […]




