Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Natolotry ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, teny Ankatso II, tamin’ity herinandro ity, ny fotodrafitrasa fametrahana ny lavadrano ho an’ny mpianatra. Niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka Communauté musulmane Sunnite de Madagascar (CMSM) izany. Mihoatra ny 5m³ isan’ora ny rano azo vokarina ao an-toerana. Misy fitahirizan-drano mahazaka 18m³ ihany koa. […]

Farmasia: Vehivavy ny 56% amin’ireo matihanina

Vehivavy avokoa ny 56% ireo farmasianina matihanina miisa 400 mahery eto Mada­ga­si­kara. Mbola ambony koa ny tahan’ny vehivavy manaraka izany lalam-piofanana izany ao amin’ny Oniversiten’ Antananarivo sy Mahajanga. “Manaporofo izany fa mi­toetra eo amin’ny fiarahamonina ny firotsahan’ny vehivavy maro eo amin’ny taranja siantifika sy ny asa ara-pahasalamana”, hoy ny Holafitry […]

CFP Foulpointe: Afaka miasa avy hatrany ny mpianatra

Mbola nitohy ny hetsika ataon’ny minisitry ny Fampiana­rana teknika sy fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Mar­cel­line, any amin’ny faritra Analajorofo, omaly. Tao Fenoarivo Atsinanana izy no nanao ny hetsika « Fijery hafa ». Talohan’izay, nitsidika tao Foulpointe ny delegasionina ka maneho ny fahombiazana amin’ny fanofanana tanora ny CFP Foulpointe. Porofon’izany ny fahafahan’ireo mpianatra […]

Tsy fanjarian-tsakafo: Nametraka fanamby enina hotanterahina hatramin’ny 2030 i Madagasikara

Isaorana ny fahasahian’ny fitondrana nandray ny fanamby hitondrana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Mada­gasi­kara hatramin’ny taona 2030, hoy ny vovonana Hina. Hanohana amin’ny drafitrasa hanatrarana izany ny fikambanana 600 mandrafitra ny Hina. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia lasa teo, ny andraikitra horaisin’ny fanjakana malagasy ho an’ny fihaonana an-tampon’ny […]