Auteur/autrice : Adnews

SOMBIM-BAOVAO

Tontosa teny amin’ny Orange Digital Center, tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, ny fifaninanana taranja Échecs “Queens Women Open Tournament”. Fifaninanana natokana ho an’ny vehivavy malagasy mpilalao, ary hampiakarana ny fahaiza-manaon’izy ireo ity fandaharanasan’ny federasiona ity. Efa manomboka ny fisoratana anarana amin’ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga “Big Tanà”, taranja Bodybuilding. Fifaninanana izay hotontosaina […]

Trail d’Ibity andiany 9: Hamonjena ny ankizy tsy ampy sakafo

Hotanterahina any Antsirabe, ny alahady 6 avrily ho avy izao, ny andiany fahasivy amin’ny “Trail d’Ibity”. Hiavaka izy ity satria hatolotra manontolo ho an’ny fikambanana Antena, misahana ireo zaza tratry ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika ao amin’ny faritr’i Vakinankaratra ny vola rehetra azo amin’ny fifaninanana. Io no nambaran’i Vincent Blanchet, […]

“Mondial 2026” : Mpilalao efatra ihany ny avy eto an-toerana voaantso Barea

Na dia amin’ny alarobia ho avy izao aza ny lisitr’i Corentin Martins, mpanazatra Barea vaovao, no hivoaka, nilaza ny loharanom-baovao iray fa miisa efatra ihany ireo mpilalao avy eto an-toerana voaantso handrafitra ny Barea de Madagascar. Afaka 11 andro eo, hiatrika ny fifanintsanana ahazoana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026” […]

VAOVAO TAMBATRA

Hanana tanjaka 5MW ilay tobim-pamokatra herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro hapetraka ao Mahajanga. Hapetraka ao amin’ny fokontany Manjarisoa ny fotodrafitrasa. Hamokatra herinaratra ho an’ny mponina amin’ny andro atoandro ny tetikasa. Efa mandeha ihany koa ny fanatanterahana ireo tetikasa hafa eto Antananarivo sy Toamasina. Havaozina ny filankevi-pitantanan’ny orinasa Jirama. Hiara-kanatanteraka izany […]