Ambohipihaonan’ny fikambanam-behivavy manerana ny Nosy ny ao Mahajanga amin’izao fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny vehivavy izao. Voizina ny fizakan-tena ara-pihariana, fa indrindra ny fahatokisan-tena iankinan’ny zavatra rehetra sy hanombohana ny dingana hahafahana miroso amin’ny fanapahan-kevitra sy fampandrosoana. Manetriketrika ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny vehivavy tanterahina […]
Auteur/autrice : Adnews
TARATRY ny KANTO
« Rire – Délire », etsy amin’ny AFT Andavamamba. Hatao sehatra malalaka ho an’ny fialamboly, anatin’ny hatsikana sy ny soratra ary izay mety ho rediredy eo ny anio sabotsy 8 marsa, manomboka amin’ny 2 ora. Afaka miaka-tsehatra izay te hanandrana na efa mpanao hatsikana. Afaka manatrika ny atrikasa mahakasika izany izay entanin’ny […]
Mozean’ny saripika : Hasongadina ireo vehivavy nanamarika ny tantara
« Femmes, Audace, Héritage: Portrait ». Izay ny lohahevitry ny fampirantiana manaraka, hotontosaina ao amin’ny Mozean’ny saripika eto Madagasikara eny Anjohy. Hanomboka ny 12 marsa izao izy ity, ka amin’ny 12 ora ny fanokafana. Hanasongadinana ireo vehivavy izay nanamarika ny tantaran’i Madagasikara ny tena tanjon’ny fampirantiana. Manomboka any amin’ireo mpanjakavavin’i Madagasikara, mandalo […]
Zara sehatra Bagasy : Omena laka ny hiran’ny taona 60
Hotanterahina anio manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Espace Aro Antsahavola, ny Zara sehatra, iarahana amin’ny Sehatra Bagasy (SBG). Omena lanja lehibe ny fandraisana anjaran’ny rehetra. Hahazo laka kosa ireo hira malagasy nanana ny lazany tany amin’ny taona 1960. Anisan’izany ny sanganasan’i Naly Rakotofiringa, JJTseheno, Rasamoelijaona, Ramaroson Wilson, […]
Fomba amam-pahendrena malagasy : Misokatra ho an’ny rehetra ny foibe MA.I.HA
Anisan’ny foibe ivondronan’ireo mpikaroka sady ahitana voka-pikarohana maro rahateo ny MAIHA. Omaly no nampahafantarina tamin’ny mpanao gazety ny fisokafany ho an’ny rehetra. Misokatra ho an’ny rehetra ny foibe Malagasy Iray Hasina na MAIHA. Ivontoerana hikarohana sy handalinana ny fomba amam-pahendrena malagasy. Anisan’ny nisongadina io nandritra ny fampahafantarana momba ity foibe […]




