“Aoka hazava ny andraikitry ny tsirairay manoloana ny fisian’ny traboina. Izahay solombavambahoaka dia tsy manana sora-bola natokana hamonjena ny olona traboina toy izao”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Betioky Atsimo tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina, Rabenirina Jean-Jacques, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny famonjena traboina. Raha misy ny mahita an’izay […]
Auteur/autrice : Adnews
VAOVAO TAMBATRA
Mihodina tsara ny trano fitahirizam-bokatra sy famokarana lagilasy any Ambatondrazaka. Nanohana ny fananganana azy ny Vondrona eoropeanina. Nidina tany an-toerana ny tale jeneralin’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny Vondrona eoropeanina, ny 4 marsa teo, nandinika ny tombontsoa ho azo amin’ity fotodrafitrasa ity. Hapetraka ny rafitra niomerika ho fanaraha-maso […]
Jica sy MTP : Antontan-kevitra fikojakojana ny lalana sy ny tetezana
Naharitra 50 volana ny namolavolana ny tetikasa Fampivoarana ny fahaiza-mitantana ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana eto Madagasikara (F3LTM). Nanatontosa azy ny Jica sy ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Natao omaly ny fivoriana faran’ny Vaomiera iombonana mpandrindra (CCC), andiany faha-8 sy ny fivoriana ara-teknika andiany fahefatra. Miisa enina ny […]
Orinasa Star : Zana-kazo 80 000 hambolena
Ataon’ny orinasa Star vaindohan-draharaha ny fambolen-kazo, ao anatin’ny Fandraisana andraikitry ny orinasa ara-piarahamonina (RSE). Tanjona ny hiarovana ny tontolo iainana ahazoana vokatra maharitra. Maherin’ny 80 000 ny zana-kazo nomanina tamin’ny taona 2024, hiatrehana ny taom-pambolena 2025. Miisa 26 000 ny naparitaka manerana ny toeram-pamokaran’ny orinasa, ka 12 500 any Ambatolampy, […]
Fampandrosoana: Mandrafitra ny 98% ny toekarena ny orinasa madinika
Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny toekarena ny sehatry ny fandraharahana. Miteraka asa sy mampidi-bola izy ary mitarika amin’ny fampandrosoana ny firenena. Manome lanja ny vehivavy sy ny tanora mpandraharaha ny fikambanan’ny orinasa malagasy (Fom). Anatin’ny fanamafisana ny fahaiza-mitantana ny orinasa madinika izy ireo mba hisitrahan’ireo mpikambana fampiofanana sy famatsiam-bola […]




