Hatao any Morondava, ny 28 hatramin’ny 31 aogositra ho avy izao ny Andro nasionalin’ny olon-dehibe, andiany faharoa. “Olon-dehibe mijoro amin’ny finoana sy fanantenana kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin’ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana” ny lohahevitra. Tanjona ny hanehoana sy hanamafisana ny fiombonana sy fiaraha-mientan’ny olon-dehibe rehetra […]
Auteur/autrice : Adnews
Fiaraha-miasa : Hizara traikefa amin’ny Tafika Malagasy i Tiorkia
Nandray ny masoivohon’i Tiorkia miasa sy monina eto Madagasikara, Ishak Ebrar Çubukçu, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, afakomaly, teny Ampahibe. Nivoitra tamin’ny fihaonana fa efa nahazo tombony tamin’ ny fampiofanana tany Tiorkia ny Tafika Malagasy. Nisongadina tamin’ny lahadiniky ny roa tonta nandritra ny fihaonana rahateo ny […]
Baolina kitra any Allemagne: Tafiditra anatin’ny « onze type » i Bolo
Miezaka mampiseho sy mampisongadina ny tenany any Allemagne ilay Malagasy mpilalao baolina kitra, i Voahariniaina Kanto Fitiavana na i Bolo. Araka ny fikarohana natao omaly, tafiditra anatin’ireo mpilalao 11 tsara indrindra, “onze type”, taorian’ny andro faha-24 ny fifaninanana rezionaly ny tenany. Tapa-bolana mahery teo izay no niarahan’ity Malagasy ity tamin’ny […]
Transparency International – IM: “Mbola vitsy ny vehivavy mpisehatra politika”
Nampahatsiahy ny eo anivon’ny Transparency International Initiative Madagasikara (TI-IM) fa higadona afaka andro vitsy ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Nambaran’izy ireo fa marobe ireo sakana ho an’ny vehivavy eo amin’ny fandraisana andraikitra ara-politika. “Mbola vitsy anisa izy ireo eo amin’izany sehatra izany. 27 % monja ny tahan’izy ireo […]
INDRAY MIJERY
Tonga nitsidika ny Institut national du tourisme et de l’hôtellerie (INTH) Ampefiloha, tamin’ity herinandro ity, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, niaraka tamin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana. Tanjona ny hanomezana fampiofanana manara-penitra ho an’ny tanora malagasy amin’ny alalan’ny fanarenana sy fanatsarana ny ivontoeram-pampiofanana. Nisy […]




