Auteur/autrice : Adnews

Vokatr’ilay faritr’andro ratsy: Hanonja ny ranomasina any avaratra atsinanana

Tombanana ho mafy ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanan’ny Nosy, noho ny fisian’ilay fiforonana rivodoza ao avaratra atsinanan’i Mada­gasikara. Tombanana ho 35 hatramin’ny 50 km isan’ora, eo anelanelan’i Toamasina sy ny tanjona Angotsy. Haha­tratra hatramin’ny 70 km isan’ora na 80 km indraindray eo anelanelan’i tanjona Angotsy sy ny […]

“Mafonja” : Omena tantsoroka ireo voafonja

Nitohy ny fanofanana ireo mpiantsehatra amin’ny tontolon’ ny famonjana anatin’ny tetikasa “Mafonja”, izay tohanan’ny Vondrona eoropeanina ary tanterahin’ny fikambanana Humanité et inclusion eto Madagasikara. Ny taona 2024, nifototra tamin’ny fanofanana ny mpisehatra mivantana ny asa momba ny tantsoroka sosialy ho an’ny voafonja sy ny famerenana ny ankizy nanao heloka eny […]

Tetikasa 5 novolavolain’ny vehivavy tanora : Notoloran-dRajoelina Mialy 50 tapitrisa Ar isanisany

Notanterahina omaly, tao amin’ny Complexe sportif Mahajanga, ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa “Zatovovavy miavotra sy mivoatra”. Tetikasan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, iarahana amin’ ny tetikasa Fihariana sy ny Unicef, UNFPA, Unesco ary ny fikambanana Fitia. Maro ny hetsika voarafitra amin’ny fandaharanasa toy ny fifaninanana ho an’ny tetikasan’ny […]

TARATRY ny KANTO

Mandalo an-tanindrazana i Voahirana. Hisy ny fiaraha-midera miaraka aminy, izay hotontosaina anio manomboka amin’ny 5 ora sy sasany, etsy amin’ny Pietra Analakely. Hanotrona an’i Voahirana mandritra izany ny tarika Antsa an’i Kristy, izay efa nisy azy. Eo koa i Rojo Ny Avo sy i Lovatiana. Efa niatrika ny famerenena niaraka […]

Iray volan’ny teatra: Hisy hetsika maro hotontosaina

Na mitsipozipozy aza, tsy maty ny teatra eto Madaga­si­kara. Mbola eo ireo mpise­hatra miezaka mampiaina izany sehakanto izany, na dia sahirana eo amin’ny efitrano hiseharana aza. Hanamarika ny Iray volan’ny teatra, fanao isaky ny volana marsa isika. Hetsika maro no hotontosaina mandritra izany, ka anisan’ ireo manana fandaharam-potoana maro indrindra […]