Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Olona 12 voasambotra nandritra ny be midina nataon’ny polisy avy ao amin’ny Kaomisaria boriborintany fahatelo, nanomboka afakomaly. Voasambotra noho ny fifohana sy fitazomana zava-mahadomelina ny telo tamin’ireo, noho ny resaka halatra sy sinto-mahery ny efatra, raha noho ny resaka fikambanan-jiolahy ny roa hafa. Noho ny resaka filokana an-dalambe ny vehivavy […]

Kaominina Mahitsy : Taolam-balo 13 lasan’ny jiolahy

Taolam-paty ampolony tao amin’ny fokontany Fiadana­kely, kaominina Mahitsy, distri­kan’Ambohidratrimo, lasan’ny jiolahy, ny talata 4 marsa teo. Nitrangana vaky fasana indray tao amin’io kaominina io. Mpan­dalo no nahatsikaritra fasana efa nisokatra. Niantso ny tomponandraikitry ny fokontany izy ireo. Nidina ifotony nanao ny fanadihadiana koa ny mpitandro filaminana. Notsiri­hana ny fasana vaky. […]

Vaky kodiarana: Lehilahy maty voatsin­drin’ny taksiborosy

Namoy ny ainy ny mpamily mpanampy tao anatin’ny taksiborosy tra-doza tao Soanahory, kaominina ambanivohitra Akotrofotsy, distrikan’i Miandrivazo, omaly vao maraina. Nikasa hihazo an’i Morondava, nitondra mpandeha io taksibrosy io. Vaky tampoka ny kodiarana. Nivadibadika ny fiara izay nandeha mafy. Tafavoaka ivelan’ny fiara ny mpamily mpanampy. Namoy ny ainy vokatry ny […]

Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy 4 voasambotry ny polisy tetsy Alasora

Jiolahy efatra voasambotry ny polisy teny amin’ny faritra Alasora sy Ambohimanambola mahakasika ny fanafihana mitam-piadiana. Anisan’ny efa mpamerin-keloka avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Jiolahy efatra voasambotry ny polisy avy ao amin’ny CSP Alasora noho ny ra­haraha fanafihana mitam-piadiana teny Alasora sy ny ma­nodidina, afakomaly hariva. Tra-tehaka teo am-panomanana fanafihana vaovao sy […]