Auteur/autrice : Adnews

Volley-CCC ZONE 7 : Tafakatra manasa-dalana ny GNVB, sokajy lehilahy

Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie nationale de volley-ball), ao anatin’ny fiadiana ny amboaran’ ny Klioba tompondaka, faritra faha-7, taranja volley, tanterahina any Maorisy. Taorian’ny nahatafakatra ny ekipan’ny GNVB, vehivavy, amin’ny manasa-dalana, nahazo ny tapakila ihany koa ny GNVB, lehilahy, ho amin’izay manasa-dalana izay, rehefa nandavo ny […]

FANTINA sy FINTINA

Havaozina ny drafi-paritra fitantanana ny loza sy ny tandinon-doza mba hananana drafitra maty paika mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena, araka ny atrikasa natao tany Sava, omaly. Nam­baran’ny eo anivon’ny BNGRC, Andriatsimiala Sa­riaka, fa tanjona ny ahafahana manamafy ny fahaiza-miatriky ny solontenam-panjakana any ifotony amin’izany. Hanamarika ny Andron’ny vehivavy 8 marsa koa […]

Minisiteran’ny Fitsarana: “Tsy misy sarany ny famangiana voafonja”

Fanamafisana, fampaha­tsiahivana… Ao anatin’ny ady amin’ny kolikoly. “Tsy misy sarany ny famangiana ireo voafonja manerana an’i Mada­gasikara izay ahitana karazany roa. Ny famangiana ho an’ny olona tsy mbola voatsara, ary ny famangiana ireo efa voatsara”. Io ny fampahafantaran’ny minisiteran’ny Fitsa­rana tamin’ny tranonkalam-pifandraisana, omaly. Tsy maintsy manana ny fahazoana kosa ireo […]

Miavotse sy mivoatse !

  Nahoraka tato anatin’ny andro vitsy ny mahakasika ny fizakan-tenan’ny vehivavy eto Madagasikara. Mazava ho azy, fa noho ny fankalazana ny andron’ny 8 marsa, natokana hiadiavana ny zon’ny vehivavy izany. Mirongatra sy mipoipoitra avokoa ny karazana tetikasa hoenti-manohana ny zatovovavy sy ny renim-pianakaviana. Samy milaza ho mpanohana an’izany na mpiara-miasa […]

Filoha Rajoelina Andry: “Hamboarina manontolo ny lalana Tanà-Mahajanga”

Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra natao tany Mahajanga ny momba ireo fanamboarana fotodrafitrasa samihafa. Eo koa ny fijerena ny sosialim-bahoaka. “Hamboarina manontolo ny lalam-pirenena faha-4 miainga any Antananarivo hatraty Ma­hajanga”, hoy ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny filankevitry ny minisitra, tany Mahajanga, omaly. Nam­ba­rany koa ny fisokafan’ny sisintanin’i Madagasikara amin’ny […]