Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ity herinandro ity, tetsy Antaninarenina, ny atrikasa mahakasika ny tetikasa “Fampiasana ny tambajotran-tserasera araka ny tokony ho izy” na “Utilisation responsable des réseaux sociaux”. Tanjona amin’izany ny hanentanana sy hampahafantarana ireo tanora manoloana ny fampiasany ny finday sy ny tambajotran-tserasera, toy ny voka-dratsiny, ireo lafy tsarany […]
Auteur/autrice : Adnews
Andron’ny vehivavy : Zana-kazo 1 200 nambolena
Nosantarina tamin’ny fambolen-kazo niarahana tamin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, notarihin’ny minisitra, Razafinjato Aurelie, ny fanamarihana ny Andron’ny vehivavy atao Mahajanga, omaly. Anjara biriky amin’ny fanamaitsoana ny tontolo, hiarovana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro no natao tao amin’ny fokontany Marohogo, kaominina Belobaka. Nentanina amin’ny fikolokoana ireo zana-kazo vao natsatoka izay misy ny […]
Tetikasa A-Viavy: Hiarovana ny vehivavy mpanao gazety anatin’ny asany
Napetraka ny volana desambra 2024 ny “A-Viavy”, tetikasa natsangan’ny Ilontsera (Ivom-pandalinana ny tontolon’ny serasera marolafy eto Madagasikara) ka tohanan’ny Fonds mondial pour la défense des médias ary vatsian’ny Unesco vola. Tanjona ny fiarovana ny vehivavy mpanao gazety vokatry ny fahitana fa maro ny tsindry mahazo ny vehivavy amin’ny maha mpanao […]
Rasambany Alain Desiré: “Atsaharo ny fankahalana sy fanaratsiana”
Naneho ny heviny manoloana ireo lahateny samihafa tany Toliary, nidinan’ny filoha Rajoelina Andry tany an-toerana, afakomaly, ny sekretera jeneralin’ny HVM, Rasambany Alain Desiré. Nambarany fa anaty krizy sosialy ny any atsimon’ny Nosy amin’izao fotoana izao. “Tsy mendrika ireny serasera miendrika fankahalana sy fanaratsiana ny hafa ary fidokafan-tena ireny. Atsaharo fa […]
Depiote sy ben’ny Tanàna Vakinankaratra: “Tsy azo ekena ny fambolena korontana eto”
Nanao fanambarana ireo ben’ny Tanàna Irmar miisa 50 sy ireo avy amin’ny tsy miankina miisa 24 ary ireo depiote amin’ireo distrika fito ao Vakinankaratra. “Lavinay marindrano ary toherinay amin’ny herinay rehetra ny fambolena korontana sy fandrebirebena ny saim-bahoaka tsy hampisy fitoniana sy fiarahamonina milamina”, hoy izy ireo tao Ambatolampy, ny […]




