Auteur/autrice : Adnews

Fifehezana ny fenitry ny fanorenana: Nofanina ireo matihanina ao Fianarantsoa

Mitohy ny hetsiky ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Anisan’ny nanaovana fampiofanana ny any Fianarantsoa. Nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny MFFT fa mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny tanjona amin’ny fanentanana sy fampahafantarana ny politika nasionaly amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro izy ireo. “Tafiditra ao anatin’ny tetikasa […]

Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy : Niainga tamin’ny fitakian-jo hifidy sy hiasa ny 8 marsa

8 marsa, Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Tsy tongatonga ho azy. Nisy tolona sy fitakiana, fiaretana sy faharetana tao. Niainga tamin’ny fitakian-jo hifidy sy hiasa ary ny fanavakavahana eo amin’ny asa. Fintina tantara… Ny 8 marsa ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, araka ny fiantsoan’ny Firenena […]

TARATRY ny KANTO

Fondation H. Nifarana ilay fampirantiana « Mémoria : recits d’une autre Histoire », izay naharitra 10 volana, teto Antananarivo. Nahitana sanganasa 40 mahery, an’ireo mpanakanto 22 avy amin’ny firenena 11 aty Afrika izany. Nahatratra 140 000 teo ireo mpitsidika nanomboka ny 4 avrily 2024. Hihazo tanàna-dehibe any amina firenen-kafa indray ny fampirantiana, aorian’izao. […]

Jazz Club CGM/GZ: Hanakoako ny « Jazz Fiderana »

Hiavaka ny seho. « Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah. Haleloia ». Hanatanteraka io teny voarakitra ao anatin’ny Salamo io ny Jazz Club CGM/GZ. Amin’ny alalan’ilay fampisehoana « Jazz Fidera­na » no hanehoan’izy ireo izany ny 16 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny FJKM Kristy Velona Andavamamba. Ho heno […]

Fampirantian’ny IKM : « Ny rakitry ny taniko Madagasikara »

Vanim-potoana mamelombelona ny maha Malagasy ao anaty izao. Misy amin’ireo fanao andavanandro no efa nolovaina tamin’ny fahagolan-tany. Voarakitra amina sanganasan’ny mpanakanto izy ireny, izay hatolotry ny Musée du Nord haranty ao amin’ny IKM Antsahavola, ny zoma 7 matsa hatramin’ny sabotsy 5 avrily ho avy izao. “Ny rakitry ny taniko Madagasikara” […]