Hahazo vahana ny volonandro fahavaratra eto amin’ny Nosy, mandritra ity herinandro ity. Tombanana hitoetra ny varatraza any amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy, amin’ny faran’ny herinandro. Hanorana tandrifin-drahona ny ilany atsimo andrefana, ny atitany avaratra ary ny ilany atsinanan’ny afovoantany. Hanorana malefaka ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy, ny faran’ny herinandro. Hisy fidinana amin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Fandrenesana : Maro ireo fahazaran-dratsy manimba ny sofina
Nomarihina omaly, ny Andro maneran-tany ho an’ny fihainoana. “Ovay ny toe-tsaina: ataontsika zava-dehibe ny fikarakarana ny sofina sy ny fihainoana ho an’ny rehetra”. Io ny lohahevitra novoizina nandritra ny fanamarihana. Tetsy amin’ny Institut d’hygiène Analakely no nanaovana fizaham-pahasalamana maimaimpoana ny olan’ny sofina sy ny fihainoana nentina nanamarihana izany. Nisy koa […]
Ampanihy Andrefana: Mihandrona ny rano, miteraka aretina
Na tsy avy intsony aza ny orana, mbola misy ny rano miandrona ao Ampanihy Andrefana vokatry ny rotsakorambe nisesy tany an-toerana, tamin’iny herinandro iny. Tsy zakan’ny ankizy madinika ny rano maloto sy ny hamandoana ka mamparefo azy ireo. Mitarika aretim-pivalanana sy aretin’ny taovam-pisefoana, tazomoka… ho an’ireo marefo izany. Manginy fotsiny […]
Rivodoza Honde : Valo ny olona maty, 88 215 ny traboina
Mavesatra ny takaitra navelan’ilay rivodoza Honde ho an’ny distrika 18 voakasika ao amin’ny tapany atsimo andrefan’ny Nosy. Efa tany amin’ny 350 km atsimon’i Taolagnaro no nisy azy, omaly maraina. Valo ny olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Honde tany amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC […]
VAOVAO TAMBATRA
Tsy mitsaha-miakatra ny euros tao anatin’ny iray volana. Mitotongana manaraka izany koa ny Ariary. Omaly, nisanda 4 920,02Ar ny euro iray, raha toa ka 4 713,52Ar kosa ny dolara. Porofo izao fa ambony ny taham-panafaran’i Madagasikara entana any ivelany raha ambany kosa ny fanondranana tokony hataontsika. Nifandinika momba ny tombontsoa entin’ny lalàna […]




