Auteur/autrice : Adnews

« Sommet de l’énergie » : Hisitrahan’ny rehetra ny angovo azo antoka

Manomboka anio ka haharitra telo andro ny fihaonamben’ireo filoham-panjakana aty Afrika momba ny angovo. Hetsika tanterahana ao Dar Es Salaam, Tanzanie izay handraisan’ny filoham-pirenena malagasy anjara. Anisan’ireo lohahevitra resahana, mandritra ity « Sommet de l’énergie Mission 300 » ity, ho an’ny anio ny fanandratana avo ny tontolon’ny angovo aty Afrika sy ny […]

Fihenam-bidy : Manomboka hita eny an-tsena ny vary 750 Ar ny kapoaka

Tapa-bolana taorian’ny ny toromarika napetraky ny filoham-pirenena hampidinana ny vidim-bary dia nahitam-bokany ny paikady nandrafetana ny asa. Ankehitriny, azo jifaina 750Ar ny kapoakan’ny vary nafarana. Manomboka hita eny an-tsena ireo vary amin’ny vidiana 750 Ar ny ka­poaka. Miainga any amin’ny mpamongady ny fihenam-bidy ka tafavoakan’ny mpaninjara amin’ny vidin’ny 750Ar izany, […]

INDRAY MIJERY

Vita ny atrikasa momba ny fampirindrana ny fitaovana ho fanohanana ireo niharan’ny herisetra. Tanjona ny hamaritana sy hahazoana fankatoavana ho an’ireo fitaovana valo novolavolain’ireo tomponandraikitra avy amin’ny minisiteran’ny Mponina miaraka amin’ny Unicef. Nandray anjara tamin’ny atrikasa ireo solontena avy amin’ireo minisitera hafa. Teo koa ny Vondrona Eoropeanina. Rehefa azo ny […]

Fanatsarana ny fanabeazana : Nivoitra ny fomba fiasa mahomby 25

Nametrahana sekoly maodely 60 eto Madagasikara, izay niompanan’ny fanadihadiana nataon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Unicef, ny taona 2023. Ni­voaka avy tamin’ny fanadihadiana ny fomba fiasa 25. Tombanana hitondra fanatsarana ho an’ny fanabeazana eto amintsika izany. Nivoitra fa mahomby ny fitadiavana vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy isam-paritra hanatsarana ny fampianarana. Nisongadina ny […]