Lehilahy iray tokony ho 40 taona eo ho eo no maty voatsatoka antsy, afakomaly tamin’ny 5 ora sy sasany maraina, tany amin’ny kaominina Ampasimbe, Brickaville. Nahita olona iray efa maty tao anaty alan’Ambodimanga Benavony, 300 metatra miala ny tanàna ao Sahanibibaka, ireo mponina handeha hanao ny asa aman-draharahany, tamin’io fotoana […]
Auteur/autrice : Adnews
Distrika Manjakandriana : Nanangana fikambanana ireo ben’ny Tanàna
Nampitovy tadin-dokanga ho an’ny tombontsoa iraisana. Nanangana fikambanana ireo ben’ny Tanàna rehetra voafidy ao amin’ny distrika Manjakandriana, omaly. Nofidin’izy ireo ho filohan’izany fikambanana izany ny ben’ny Tanàna voafidy tao amin’ny kaominina Nandihizana Carion, Rakotonirina Zo Ny Aina. “Tanjona amin’ny fananganana fikambanana toy izao ny fampisitrahana tombontsoa iombonana ho an’ny kaominina […]
INDRAY MIJERY
Hanamarika ity herinandro ity ny atrikasa lehibe hotanterahina any Mantasoa, mandritra ny roa andro (hanomboka rahampitso). Mikendry ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara izany, araka ny nambaran’ny minisitra mpiahy. Tonga nitsidika ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tao amin’ny toeram-piasany, Ambohidahy, ny masoivohon’i Norvezy vaovao eto Madagasikara, Hajaina Gjermund Saether. […]
Miss maman Madagasikara : Hisafidianana ireo reny mendrika
Efa lasa fikambanana amin’ izao fotoana ny Miss maman Madagasikara (MMM), manana tanjona handrisika ny reny hikajy ny endrika sy bika fa koa handray andraikitra amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina. Hetsika nahafantarana azy nandritra ny taona efatra nifanesy ny fikarakarana fifaninanana Miss maman eto Madagasikara. Hiditra amin’ny andiany fahadimy izany amin’ity […]
Mpanara-maso ny loza hanambana : Miasa eny ifotony ny mpanaitra
Rehefa nanaparitaka ilay fanairana miloko mavo ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, momba ny filazana mahakasika ny fiverenan’ilay rivodoza Dikeledi nanao tampody fohy. Mizotra mianatsimo nanakaiky an’i Madagasikara izy rehefa avy nandravarava tatsy Mozambika. Nampandraisana andraikitra avy hatrany eny ifotony, amin’ny fanaparitahana ny fanairana nataon’ireo tomponandraikitra ireo warner (mpanaitra […]




