Vita ny fikojakojana ny lalana mampitohy an’i Vohitraivo sy Andilamena (RN3A), faritra Alaotra Mangoro. Mirefy 45 km ity lalana ity, ka avy amin’ny Tahirimbolan’ny lalana (Fonds routier) no nanaovana azy, nataon’ny orinasa CGC. Nampiavaka ny asa ny fanoloana ho « béton » ireo tetezan-kazo ary natao godirao ny ampahan-dalana tena ratsy. Manodina […]
Auteur/autrice : Adnews
Airtel Africa: Mampiroborobo ny niomerika ny mpanakanto
Misehatra amin’ny fifandraisan-davitra sy ny fifanakalozam-bola amin’ny finday ny orinasa Airtel Africa, amin’ny firenena 14 eto Afrika. Misy ny fiaraha-miasany amin’ny mpanakanto sangany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena miisa telo, Fally Ipupa avy any Repoblika demokratika Congo (RDC), Diamond Platnumz (Tanzania) ary Simi (Nizeria), hampiroboroboana ny fampiasana fifandraisan-davitra niomerika, nanomboka ny […]
Tetikasa “Volobe II”: Fanamboaran-dalana ataon’ny CGHV
Mandray anjara amin’ny Andraikitry ny orinasa amin’ny sosialy (RSE) ny tetikasa « Volobe II », ataon’ny orinasa CGHV, hanangana ny toby famokarana herinaratra 120 MW any an-toerana. Voasoritra ao anatin’ny bokin’andraikitry ny orinasa ny fanatanterahana izany, mba hisian’ny fampandrosoana eny amin’ny kaominina iasany. Horaisin’ny orinasa an-tanana ny fanamboarana ny ankamaroan’ny ampahan-dalana ratsy […]
Tsy ampy ny orana: Miverina indray ny delestazy eto Antananarivo
Tsy ampy ny famokarana herinaratra any Andekaleka. Maharitra ora telo ny delestazy isaky ny fahatapahan’ny jiro avy amin’ny orinasa Jirama, nanomboka omaly. Tsy naharitra ela! Andro vitsy monja no nirotsaka ny orana teto Antananarivo sy ny manodidina, nahafahana nampandeha amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra tao anatin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Mihantona […]
TARATRY ny KANTO
Tarika Arangita, etsy amin’ny No Comment Bar Isoraka. Mety ho vaovaobe amin’ny maro ny anaran’ny tarika. Antony iray hampahafantaran’izy ireo ny sanganasany izany, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Mivoy ny mozika folk, miharo nentim-paharazana ry zalahy, izay natao indrindra ho an’ireo mankafy ny mozika miaina. Fampandrosoana ny […]




