Nirefotra indray ny basy tao Tanambao Verrerie Amparangodorao Parisela 21/71, ny talata alina teo. Tsy lavitry ny toeram-pitsaboana iray no nitrangan’izany. Raha ny angom-baovao voaray teo anivon’ny polisy, tovolahy iray voalaza fa jiolahy saika hamaky trano ity maty voatifitra ity. Nikasa handositra izy ka voatery tsy maintsy nitifitra ny polisy. […]
Auteur/autrice : Adnews
Sombim-baovao
Fantatra ny firafitr’ireo ekipa malagasy roa hiatrika ny Passion Pétanque Française (PPF 2025). Hiaraka ry Tselonina sy Racle ary Nanou. Hitambatra iray kosa i Baloty sy i Tianakely ary i Zigle. Fifaninanana izay hatao ao Aix-en-Provence France ny 15 sy 16 febroary ho avy izao. Ho fanomanan’ny Barea ny «Chan […]
Chan 2025: nakarin’ny Caf ny volan’ny mpandresy
Miavaka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina ho an’ny ekipam-pirenena “Chan 2025”, amin’ity. Nampitomboin’ny kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf) hatrany amin’ny 75% ny lelavola ho azon’ny ekipa tompondaka, ka hitontaly 10, 4 tapitrisa dolara ny “prize money”, ho an’ity andiany ity. Hahazo 3, 5 tapitrisa dolara ny ekipa […]
Volley-ball: hampiantrano ny CC Z.7 i Maurice
Hampiantrano ny andiany faha-29 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny faritra faha-7 (CC Z.7) taranja volley-ball, lahy sy vavy, i Maurice. Fifaninanana ho an’ny ekipa tompondaka lahy sy vavy, sokajy «sénior». Hotanterahina ny 22 febroary ka hatramin’ny 1 marsa ho avy izao izany fifaninanana izany. Raha tsiahivina, […]
Fitaizam-batana: tia mamonjy «salle de sport» ny olon-dehibe
Anisan’ny mahasalama ny vatana ny fanaovana fanatanjahantena. Tsy mifidy taona ny fampiasam-batana fa natao ho an’ny olon-drehetra. Tsy mifidy toerana ny fikotranana saingy amin’izao fotoanan’ny hafanana izao, betsaka ny olona mamonjy « salle de sport ». Malaina mikotrana eny ankalamanjana ny olona amin’izao andro mafana izao. Vitsy ireo tazana mitaiza […]




