Auteur/autrice : Adnews

Andapa: lehilahy nahatrarana basy tsy ara-dalàna

Naterin’ny fokonolona teo anatrehan’ny mpitandro filami­nana ny lehilahy iray nihazona fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna tao amin’ny fokontany Ambatobe, kaominina Belaoko Lokoho, distrikan’Andapa, ny 6 janoary teo. Anisan’ireo tao amin’ny trano fandihizana iray tao an-toerana io lehilahy io. Hataraina ny an’ireo mponina manodidina nahita io fitaovam-piadiana io teny amin’ity farany. Nampandre ny […]

Imerintsiatosika: mpivaro-kena ny iray amin’ireo mpangalatra tratra

Mpivaro-kena ao an-tsenan’i Imerintsiatosika ny iray amin’ireo jiolahy tratran’ny zandary. Noraisim-potsiny teo am-pibatana kisoa avy nangalarina ry zalahy ireto… Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Imerintsiatosika, ny 6 janoary teo ireo jiolahy mpangalatra kisoa. Nahazo antso fanairana ny kaoman­din’ny tobim-paritra fa misy olona ahiahina ho nangalatra kisoa ao amin’ny […]

Indray mijery

 Toa zary iri-mahaory ny rivodoza amin’ny toerana sasany satria tena io no heverina hahazoana orana sisa. Maina loatra ny tany, miandrandra orana ny ankamaroan’ny faritra maro fa tena mijaly ny fambolena. Tsy mbola hay na hipaka aty amin’ny afovoantany izay efa tena karakaina ny orana entin’ilay andro ratsy na tsia. […]