“Tombony ho antsika Malagasy ny fananantsika firenena milamina, indrindra ny fahamarinan-toerana politika”, hoy ny governoran’ny Faritra Diana, Rakotomanga Taciano, tany Antsiranana, omaly, momba ny toe-draharaham-pirenena. Harena sy rehareha izay filaminana sy fahamarinan-toerana izay. Ao anatin’ny vanim-potoana iantsoana ny mpamatsy vola sy ireo mpiara-miombon’antoka maro ary ny mpandraharaha hampiasa ny volany […]
Auteur/autrice : Adnews
Razanatoandro Solofoniaina: “Aleo handray ny andraikiny ny mpitondra fa aza korontanina”
Tsy hita be ihany ny antoko amin’ny tontolo politika amin’izao? Mampahazo vahana ny mahaleo tena na tsy miankina… Maneho ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny AKFM, eo anivon’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar), Razanatoandro Solofoniaina. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Nahoana ny antoko no tsy miantsehatra firy intsony amin’ny […]
Taratry ny kanto
Hivoaka tsy ho ela ny hira misy ny fampiaraham-peon’i Noely Sakelidalana sy ny tarika Ny Fanilo. « Ny Tadim-pitiavany » no lohatenin’izany hira izany. Hira ara-pilazantsara Ba Gasy milamindamina izy ity. Efa eo ampanatanterahina ity tetikasa ity ny roa tonta amin’izao. Hisy ny horonantsary mirakitra ny tononkira mialoha ny amoahana ny horonantsary ofisialy. […]
Slam national XV: nahazo fanomezana ireo mpandresy
Notoloran’i Claire Pierangelo, masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara mari-pankasitrana i Rado Ravalison na Orad, tompondakan’ny Slam National XV teto Madagasikara. Teny amin’ny ivontoeran’ny masoivohon’i Etazonia Andranomena no nanatanterahina izany lanonana izany. Ankoatra an’i Orad, nomena mari-pankasitrahana ihany koa ireo mpandresin’ny fifaninanana nasionaly tamin’ny sokajim-pifaninanana rehetra. Tetsy ankilan’izay, nisy ny seho natolotr’ireto […]
Tontolon’ny hira malagasy: nodimandry Rakotoson Rémi (Tarika Remy)
Nindaosin’ny fahafatesana, ny harivan’ny 7 janoary 2025 teo amin’ny faha-65 taonany, Rakotoson Rémi filohan’ny tarika Remy. Nambaran’i Mami Bastah fa : « Mahatsiaro irery, satria, ny tenako irery sisa no mpikambana namorona ny tarika Remy tamin’ny taona 1982 fa lasa daholo ry zalahy ». Anisan’ny sanganasa nahafantarana azy (Rémi) sy ny tarika Remy […]




