Manerana izao tontolo izao, olona 1 isaky ny 24 segondra no mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe (OMS 2024). Fanamby hotratrarina ao anatin’ny tanjon’ny fandrosoana lovainjafy (ODD) ny hampihenana ho 50% ny isan’ny olona maty sy maratran’ny lozam-pifamoivoizana amin’ny taona 2030. “Isika eto Madagasikara, mandray anjara feno amin’ny fanatrarana […]
Auteur/autrice : Adnews
Lalana Ambohitrimanjaka: tsy voafehy ireo mpanaha vary, mpanasa fiara…
Fotoana fiakaran’ny vary aloha eny amin’iny lemak’Ambohitrimanjaka iny izao. Miverina indray ny fanahazam-bary amin’ny arabe. Tataovan-doza na ireo mpanahy vary na ny fiara mivezivezy amin’iny lalana iny. Natao handehanana mafy ny lalana mikodana miainga eny Ankasina mandalo ny tetezan’Ambohitrimanjaka mivoaka an’Andranotapahina iny. Tena mirimorimo ny fiara satria natao ialana amin’ny […]
Fahasalamana: hiverina hiasa eto Madagasikara ny sambo hopitaly Mercy Ships
Manomboka anio hatramin’ny 17 janoary ny fandraisana marary vaovao hanaovana fizaham-pahasalamana mialoha ho an’ireo olona maniry ny hisitraka fandidiana amin’ilay sambo hopitaly Mercy Ships. Hatao ao amin’ny hopitalibe Analakininina sy ao amin’ny CHU Morafeno izany fizaham-pahasalamana mialoha izany. isaky ny alatsinainy, talata, alakamisy ary zoma Hiverina hiasa ao Toama-sina indray […]
Conim: tokony hiditra anaty holafitra avokoa ireo infirmiera rehetra
Hentitra ny filohan’ny Conim ny amin’ny tsy maintsy hidiran’ny infirmiers anaty lisitry ny holafitra. Sehatra hahafahana mifampitondra sy miaro azy ireo amin’ny asany izany ka tsy tokony hiangaviana akory. Fanentanan’ny Holafitry ny infirmiera (Conim) amin’izao voalohan’ny taona izao ny tokony hidiran’ireo infirmiers rehetra anatin’ny holafitra. Io no fomba iray mamaritra […]
Rugby- Diviziona I: hisy ny fifaninanana hitiliana ny Makis Seven
Raha ny vaovao voaray, omaly, teo anivon’ny Malagasy Rugby, hisy ny fifanintsanana lalaovin’olona fito, karakarain’izy ireo. Raha tsy misy ny fiovana, hatao ny 18 sy 19 janoary ho avy izao izany, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Zava-dehibe tokoa ity fifaninanana ity satria natao hitiliana ireo mpilalao handrafitra ny Makis Seven, […]




