“Sady miala voly no mampifaly ireo eny an-dalambe no mitady vola”, hoy Randrianarisoa Léon Victor, anisan’ireo mpanao ity asa iray ity. “Sarotra ary ilaina fanomanana goavana izy ity saingy fivelomana ka atao am-piniavana”, hoy ny nambarany. Ankohonana anisan’ny mivelona amin’ny fihirana an-dalambe ry Randrianarisoa Léon Victor mianakavy. Eny Ankadikely Ilafy […]
Auteur/autrice : Adnews
Fantina sy fintina
Mangataka ny hisian’ny fitoniana ho amin’ny fampandrosoana amin’izao taona vaovao izao ny filohan’ny fikambanana Tanora miantsehatra (Tamia), Randriamahefa Benjamina, ny faran’ny herinandro teo. Miantsehatra amin’ny fanampiana ny mpiara-belona ny Tamia, indrindra eo amin’ny lafiny sosialy. Tarigetrany nandritra izay 13 taona nijoroany izay ny fandraisana andraikitra tsy misy takalony sy ny […]
Politika… ady saritaka
Hatramin’izao, ady saritaka mandrakariva ny politika. Nahoana? Saika ady toerana sy tombontsoa manokana hatrany no manetsika sy manesika ny ankamaroan’ny mpanao politika. Eny, na ny mpiray donak’afo izao aza: misy miady ho lohany. Tsy takona afenina izany tamin’ny firotsahan-kofidina tamin’ny fifidianana nifanesy teo, ohatra. Nisy tsy nanaiky ho fehezin’ny vondrona […]
Ben’ny Tanàna: manana anjara asa goavana amin’ny faritra iadidiny
Vita ny fifidianana ka miandry ny vokatr’izany ireo kaominina rehetra manerana ny Nosy, amin’izao fotoana izao. Iray volana aorian’ny datin’ny fandatsaham-bato no tokony hivoaka izany, araka ny voafaritry ny lalàna. Vinavinaina hivoaka ny 11 janoary 2025 izany ny voka-pifidianana ben’ ny Tanàna sy mpanolotsaina. Anisan’ny fifidianana iankinan’ny fampandrosoana ny tanàna […]
Rabary Paul: “Mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny vehivavy malagasy”
“Ny tantaran’ny firenena malagasy, amin’izao fitondran’ny filoha Rajoelina izao no tena hita fa nahazo toerana sy andraikitra ambony mifanahantsahana amin’ny lehilahy ny vehivavy”,araka ny fanazavan’ny mpandinika fiarahamonina Rabary Paul . «Hita izany fa efa mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny firenena ny vehivavy malagasy, ary mandray andraikitra feno amin’ny fitantanan-draharaha […]




