Nanatanteraka fitsidihana ireo ivontoeram-panofanana, LTP sy CFP ary ny biraom-paritry ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, ao Toamasina, ny minisitra mpiahy, Rasoloarisoa Marie Marcelline, ny herinandro lasa teo. Mifototra amin’ny fikarohana paikady entina manatsara ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fanofanana izao fidinana ifotony izao, araka ny nambarany. Nitafa tamin’ireo […]
Auteur/autrice : Adnews
Ho an’ny vahoaka any Atsimo : nanohana ny Pam i Chine
Vokatry ny tohana avy amin’ny governemanta sinoa, tamin’ny alalan’ny Cidca, afaka hanohana ara-tsakafo olona 43 600 any Atsimo, manomboka amin’ity volana ity hatramin’ny volana marsa 2025, ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam). Afaka nividy vary milanja 1 590t ho fanampiana ho an’ny ankizy tratran’ny olana ara-tsakafo 32 000 sy fianakaviana […]
Tantsoroka ho an’ny tanora tantsaha : nanangana kaoperativa ny Observatoire de la jeunesse
« Manao ezaka ny Observatoire de la jeunesse amin’ny fampidirana ny tanora, tantsaha, amin’ny sehatry ny asa sy ny fandraharahana », hoy ny sekretera mpanatanterak’ity sehatra ity, Ratsida Lanto. Tsapan’izy ireo fa hitondra fampananan’asa ho an’ny tanora ny kaoperativa. Miezaka mifampiraharaha amin’ny orinasa mpandray vokatra ny mpikarakara ahafahana mivarotra izany eto an-toerana, […]
Ho fanomanana ny « Chan » : Hatao any Antsirabe ny fampivondronana ny Barea
Araka ny vaovao voaray tamin’ny loharanom-baovao iray, omaly, hanao fampivondronana any Antsirabe ny Barea Chan, ka ny talata ho avy izao izy ireo no handeha any an-toerana raha tsy misy ny fiovana. Tsiahivina fa miisa 50 ireo mpilalao antsoina amin’ity sivana faharoa ity, ka ny 31 amin’izy ireo, avy eto […]
Tsipy kanetibe – «Mondial 2024»: nizara roa ny fiaingan’ny delegasiona malagasy
Ny zoma hariva teo vao nivaly ny fangatahana fahazoan-dalana avy amin’ny masoivoho frantsay hiatrehin’i Madagasikara ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2024”, taranja tsipy kanetibe, sokajy senior, olon-telo miaraka, lehilahy. Fihaonana tanterahina ao Zenith Dijon France, ny 5 ka hatramin’ny 8 desambra, ho avy izao. Nizara roa ny fiaingan’ny […]




