Mihazakazaka izay tsy izy ny taona ka tsy ho ela dia hivalona any amin’ny varotsimifody. Mandeha mafy toy izany koa ny toe-draharaha samihafa eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena. Ao ny manao erika madini-pihavy fa mahatondraka ny rano. Maka tsy taitra nefa tsy tara, mahavita zavatra. Ao kosa ireo mirodorodo toy ny […]
Auteur/autrice : Adnews
“Beach Volley Zone 7 Round 2” : Nanjakan’i Mayottes ny fifaninanana
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Mahajanga, ny fifaninanana “Beach Volley Zone 3”, fihodinana faharoa. Nanao pao-droa ny ekipan’i Mayottes. Fifaninanana iraisam-pirenena nitranga ny faran’ny herinandro teo ihany koa, ny fihodinana faharoan’ny fiadiana ny tompondakan’ny Zone IV, taranja Beach volley. Fifaninanana izay natao tany Mahajanga, teny amin’ny Village Touristique. Firenena […]
Sombim-baovao
Notontosaina omaly, teny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-pass, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja baolina kitra, sokajy zandriny U20. Nisongadina tanteraka ny ekipan’ny Disciples FC Espoir Analamanga, omaly. Nomontsanin’izy ireo tamin’ny isa 5 no ho 0 ny FC Antsiafabositra avy any Betsiboka. Tontosa teny amin’ny Kianjan’ny […]
Lomano-Afrika Zone IV: Malagasy mpilomano 10 hifaninana
Hotontosaina ny 4 hatramin’ny 9 desambra izao, any Namibie, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Zone IV, taranja lomano. Malagasy mpilomano 10 mianadahy no solontenan’i Madagasikara, avy amin’ny Madagascar Aquatics mandritra izany. Mpilomano lehilahy 6, ahitana an-Rakotobe Tendry Tiavina , Warren Nathan Indrano Chan, Del Cielo Chrysten Koty Germic Regallo, […]
Tompondakan’i Afrika-“FIBA 3×3”: nanao pao-droa ny Ankoay!
Nampiseho ny fahaizany tanteraka ny ekipa malagasy nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3, natao teto Madagasikara. Norombahin’ny Ankoay ny amboara, teo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny “Fiba 3X3 Africa Cup”, ho an’ny taona 2024. Voahosotra ho […]




