Fanomezan-danja ny Bagasy sy ny kalon’ Imerina. Tontosa ny Sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Arena Ivandry, ny fampisehoana niarahan’ny tarika Zandry gasy sy ny M’iray kalo. « Kalo gasy, iray fitempo », ny lohateny nampitondraina ny seho. Novoizina sy nomena sehatra tamin’izany, ny vazo Bagasy sy ny kalon’ny fahiny. “Tianay ny hamerina […]
Auteur/autrice : Adnews
Vazo miteny sy tsapiky : hifandimby an-tsehatra i Tirike sy Samoëla
Mpanakanto roa samy andrarezina eo amin’ny karazan-kira manavanana azy. Samoëla, hitondra ny vazo miteny, i Tirike, haneho ny hakanton’ny tsapiky sy ny gadona avy any atsimon’ny Nosy. Ny alin’ny 31 desambra izao no hanatanteraka ny « Réveillon 2024 », eny amin’ny Espace Vohimasina, Ambohibao Ambohijanahary, Domaine Manerinerina izy ireo. Ho heno sy […]
Mpaminany tapany…: ho levona ny teny malagasy?
Hatramin’izao taona 2024 izao, mbola vitsy ireo boky mirakitra ny tantaram-pirenena ka Malagasy no nanoratra azy. Izay kely mba hita eny amin’ny fivarotam-boky indray, voasoratra amin’ny teny vahiny avokoa. Fa naninona raha nosoratana tamin’ny teny malagasy? « Tsara ny hisian’ny boky tahaka itony mba hahalalan’ny taranaka ny tantaran’ny firenena », hoy ireo […]
« Urban Heart », andiany fahadimy : nampivondronana ny kolontsaina an-tanàn-dehibe
Hetsika ara-kolontsaina nahasarika mpankafy malagasy maro ny “Urban Heart”. Nampisehoana ireo karazana kolontsaina an-tanàn-dehibe amin’ny endriny maro. Tontosa omaly, tetsy amin’ny zaridainan’Anosy, ny hetsika « Urban Heart », andiany fahadimy. Hetsika ara-kolontsaina maroloko, nokarakarain’ny Cercle Germano Malagasy (CGM). Misy ny fiaraha-miasa tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra nahafahana nanantanteraka ny hetsika. Fotoana iray nahafahana […]
Kaikitry ny saka sy ny alika : mahafaty olona ny haromotana raha tsy voatsabo ara-dalàna
Vitsy ny olona mahafantatra ny aretina haromotana eto Madagasikara. Azo avy amin’ny viriosy avy amin’ny biby toy ny saka, alika, izany. Mitarika amin’ny fahafatesan’ ilay olona satria tsy mbola misy ny fanafody manokana hiadivana amin’izany. Aretina azo avy amin’ny viriosy ary mifindra amin’ny alalan’ny kaikitra na lelaka amin’ny fery na […]




