Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Rongony manodidina ny 43 gony, nodoran’ny polisim-pirenena tany Ihosy, ny marainan’ny 30 avrily 2026 lasa teo. Notanterahina teo anoloan’ny seranam-piaramanidina Ihosy izany. Marihina fa nangonina nandritra ny hetsika natao teo anelanelan’ny volana desambra 2025 sy marsa 2026 tany amin’ny toerana samihafa ao amin’ny faritra Ihorombe ireo zava-mahadomelina ireo. Olona maromaro […]

Nifandona tamin’ny fiara: Olona roa teny ambony moto niara-namoy ny ainy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina ny lalam-pirenena fahafito, afakomaly tamin’ny 9 ora maraina. Tao Mandikanamana, fokontany Antsahalava, kaominina Behenjy no nitranga ny loza. Taxi-borosy iray avy aty Antananarivo, hihazo an’Am­batolampy no nihavian’izany. Nandeha mafy izy ary nikasa hisongona ny fiara teo alohany. Tsy nijery tsara ny lalana sy ny fiara tokony […]

Vaky trano tetsy Itaosy: Roa lahy naiditra vonjimaika am-ponja

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora ireo roa lahy, tompon’antoka tamin’ny vaky trano teny Itaosy, ny 24 avrily lasa teo. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny polisy, natolotra ny fampanoavana izy ireo, ary nalefa any am-ponja. Raha tsiahivina, nisy namaky ny tokantrano iray tao Faliarivo Loharanombato, Kaominina Ambavahaditokana Itaosy ny 24 avrily. Tonga nametraka […]

Fivadiham-pitokisana : Mpandrahara maty notifirin’ny mpamiliny teny Ambohibao

Mpandrahara iray, maty notifirin’ny mpamiliny tetsy Ambohibao Antehiroka ny alin’ny zoma lasa teo. Fivadiham-pitokisana no antony namonoana azy. Noentin’ity farany nitsoaka ny fiara, sy ny vola ary basy saingy tratra tany Toamasina ny tenany. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria foibe Toamasina, ny alin’ny sabotsy 2 mey 2026 lasa […]