Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Namoaka fanambarana ny AKFM Anta­na­narivo, ny faran’ny herinandro teo, fa manohana ny kandidà lah.7 atolotry ny vondrona Irmar ho ben’ny Tanàn’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala. Fitaratra eo amin’ny fahavononany hiasa sy hanatontosa ny hanatanteraka ny fandaharanasa mifanojo amin’ny lalam-pivoaran’ny fiainam-pirenena ankehitriny. Lany tsy nasiam-panitsiana teny amin’ny Antenimierandoholona ny lalàna mifehy ny […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Hampitomboina ny taham-bokatra”

“Ny zava-dehibe dia izao: hampiakarintsika ny taham-bokatra eto Madagasikara. Amin’izay fotoana izay, mahazo mivelona tsaratsara ny vahoaka malagasy. Afa-miahy ny fianakaviana izy eo amin’ny lafiny fahasalamana sy ny fanabeazana, indrindra ny fiainana sy fihariana.” Izay no nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian tany Feno­arivo Atsinanana, faritra Analanjirofo, afakomaly, tamin’ny fankalazana ny Androm-pirenena […]

Dombon-dranitra

  Fifanenjanana, fifanenjehana… Izany no afitsoky ny mpirotsa-kofidina sasany amin’izao fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana kaominaly izao. Ho tonga hatraiza? Misy tonga amin’ny fanaratsiana, fankahalana, fanapempoana… Ny fanaratsiana ny hafa no hahatsara endrika ny tena? Eo ny vahoaka hitsara… Nefa tsy tsangan’olona no tokony hotsaraina amin’izany. Fa foto-kevitra, vinam-piarahamonina, fandaharanasa, fomba fiasa… […]

Fisoratana amin’ny lisi-pifidianana : hatramin’ny 4 desambra ny fangatahana didy hitsivolana

Nitarina hatramin’ny 4 desambra izao ny fisoratana anarana ao amin’ny lisi-pifidianana. Mba ho fanomezana fahafaham-po ny olom-pirenena ny anton’izany. “Raha tokony ho nikatona tamin’ny 30 novambra ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana amin’ny alalan’ny didy hitsivolana, nitarina hatramin’ny 4 desambra ho avy izao izany. Mba ho fanomezana fahafaham-po ny olom-pirenena.” […]

Fipoahana herinaratra : trano enina kilan’ny afo

Trano enina no may tao Analankininina Hopitalibe, Parcelle 12-21/22, afakomaly alina. Nitrangana fahatapahan-jiro matetika tao an-toerana ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 1 desambra. “Indroa tapaka ny jiro. Nisy zavatra nirefotra tampoka taorian’izay”, hoy ny loharanom-baovao. Nirehatra ny trano iray ka nihitatra. Nahazo ireo trano nifanila taminy ny lelafo. Nikoropaka […]