Auteur/autrice : Adnews

Diplomasia : misokatra ny masoivohon’i Madagasikara ao Maroc

Nisolo tena ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny fanokafana ny ma­soivohon’i Madagasikara ao 30 R Old Said Rabat Souissi, Maroc, ny minisitry ny Rahara­ham-bahiny, Rasata Rafara­va­vitafika, afakomaly, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Rahara­ham-bahiny, Anosy, omaly. Niaraka tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny maraokanina misahana ny fiaraha-miasa afrikanina sy maraokanina, Sem Nasser […]

Isika samy isika ihany

  Hampiantrano fifaninanana ara-panatanjahantena iraisam-pirenena lehibe miisa roa i Madagasikara, amin’ity faran’ny herinandro ity. Taratry ny firoboroboan’ny tontolo iray, hany sehatra mampiray ny vahoaka malagasy, ny fa­natanjahantena. Tsy mikely soroka ny filohan’ny Repoblika sy ny minisitry ny Fanatanjahantena amin’ny fitadiavana ny hirika hampivelatra izany. Mba misy ihany ny zavatra tsara […]

Ady amin’ny kolikoly: hatolotra amin’ny janoary 2025 ny paikadim-pirenena vaovao

Hivoaka tsy ho ela ny firaketana ny tolo-kevitra rehetra, momba ny paikadim-pirenena hoenti- miady amin’ny kolikoly. Eo am-panambarana izay volavolana paikady izay ny, eo anivon’ny Komity mitandro ny fahitsiana. “Amin’ny volana janoary 2025 no hatolotra ny vahoaka malagasy ny paikady farany, ary ha­nomboka amin’izany ny tena asa”. Io ny nambaran’ny […]

Nanimba entan’olona : jiolahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Matin’ny fitsaram-bahoaka ny iray tamin’ireo jiolahy nanafika tao Ramainandro, distrikan’i Faratsiho, ny 27 novambra hariva teo. Nidiran’ny jiolahy dimy nisaron-tava ny tranon’ny renim-pianakviana iray tao amin’io kaominina io. Voalaza fa sotasota fotsiny no nataon’ireo mpanafika satria nokapain’izy ireo ny antsy ny omby roa nifatotra tao am-bala. Tsy vitan’izay fa mbola […]

FIARABE nentin’ny ranotrambo: fito namoy ny ainy, maro ireo tsy hita popoka

Zaza telo sy olon-dehibe efatra, namoy ny ainy vokatry fivadihan’ny fiarabe rehefa niampita tetezana tao Betroka, omaly tamin’ny 5 ora hariva. Nitondra mpandeha 130 raha ny voasoratra tao anaty manifold-n’ny fiara, lasan’ny ranotrambo io fiara fitateram-bahoaka io. “45 ireo avotra soa aman-tsara hatreto ary fito no voamarina fa namoy ny […]