Auteur/autrice : Adnews
Tenisy ambony latabatra – « Mondial 2026 »: Nofaranan’i Meksika ny dian’ny Malagasy
Raraka… ! Tsy tafita tany amin’ny dingana manaraka amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tenisy ambony latabatra, ho an’ny lalao isan-tarika, izay tontosaina atsy Londres Angleterre, ny 28 avrily-10 mey, ny ekipa nasionaly malagasy. Nahazo faharesena fanindroany indray izy ireo rehefa lavon’i Meksika, tamin’ny isa 3 no ho 1, […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina ao amin’ny Emirates Stadium Londres Angleterre ny fihaonana eo amin’ny Arsenal sy ny Fulham. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Angleterre, “Premier League”. Mila mahita vokatra tsara amin’io ny Arsenal raha tian’izy ireo ny hitazona ny laharana voalohany. Manana isa 73 izy ireo, ary manaraka azy ny […]
Gymnastique – Afrika : Misolo tena ny Malagasy i Tiara
Tanterahina nanomboka ny 30 avrily teo, hitohy hatramin’ny 3 mey izao, any Pretoria Afrika Atsimo, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Gymnastique rythmique. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa hanana solontena dia Rakotonirina Tiara. Hiara-dia aminy, amin’izany, ny mpanazatra azy Mr Tatiana. Tsiahivina fa i Tiara no hany Malagasy […]
Tsipy kanetibe – Afrique 4 : Norombahin’ny Malagasy avokoa ny fandresena
Nandihizan’ny Malagasy indray ny tatsy Maurice, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tsipy kanetibe, faritra fahefatra. Nofaohan’ny Malagasy avokoa ny medaly volamena miisa efatra niadiana tamin’izany. Firenena telo no niady ny lohany dia i Maurice, Madagasikara ary i Djibouti. Nanakoako tatsy Maurice indray ny lazan’i Madagasikara, omaly zoma, […]




