Auteur/autrice : Adnews

Tanora mpandraharaha : Sokajy hifaninanana ny « TJE Croissance+ » sy « TJE Startup »

Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny Trophée du jeune entrepreneur (TJE) karakarain’ny BNI Madagasikara. Mizara sokajy roa izany amin’ity andiany faha-17 ity. Ny «TJE Croissance+» sy ny «TJE Startup». Sokajy voalohany ny “TJE Croissance”, natao ho an’ny orinsasa efa mitsangana nandritra ny iray taona farafahakeliny ary tantanana mpandraharaha latsaky ny […]

FANTINA sy FINTINA

Natsahatra tamin’ny andraikitra maha mpiahy ara-drariny na mediatiora azy ny Pr Andrianaivontse­heno Ravaka. Nisaotra sy nankasitraka ny vahoaka malagasy manontolo tamin’ny fiaraha-mientana, ny fahatokisana ary ny fanohanana ny tenany. Nisaotra ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka koa tamin’ny fahatanterahan’ny asa. Ny filohan’ny HCC no voalaza fa nitory ny radio Antsiva ka nampiantsoan’ny […]

Ralaivahiny Frerot : « Tsy milisin’ny Kly Michael ny Bandeau rouge… »

Naneho hevitra manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny «Bandeau rou­ge», amin’ny alalan’ny mpitondra teny, Ralaivahiny Frerot. Nambarany fa vovonana iray ahitana antoko politika sy fikambanana ary olon-tsotra ny «Bandeau rouge». Nitsan­gana tamin’ny fotoana nampamaivay ny tolona, fony andron’ny fitondrana Rajoelina. «Efa nanana endrika fanandevozana toy ny tamin’ny andron’ny mpanjanaka tamin’izany […]

Fidinana ifotony : Mitaky asa mivaingana ny Praiminisitra Rajaonarison

Anisan’ireo nidina ifotony any Toamasina, miaraka amin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, omaly. Hentitra ny nambarany manoloana ireo tomponandraikitra isan-tokony. «Asa mivaingana no andrasan’ny olom-pirenena amintsika mpitondra. Tsy tatitra hampifaliana fa hanitsiana ny tsy mety no atao. Ny zava-misy te­nenina fa aza misolelaka», hoy izy ta­min’ny fihainoana ireo […]

Tsy voatery hiteny foana

Iaraha-miaina fa mandalo krizy vaovao indray i Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Tsy handany lera amin’ny resaka politika fa handeha ny vahaolana mahakasika ny sedram-piarahamonina misy no hanontonana ny angovo. Aleo ahompana amin’ny resaka serasera sy ny fitantanana ny famahana ny raharaha maloto no resaka. Iaraha-mahita fa zary lalaovina sy hampifendrofendroana […]